Fanatajahantena

Rugby sokajy vehivavy – «Mondiaux D3» : hivoaka anio ny anaran’ireo Makis Ladies ho any Dubaï

Ho fantatra amin’ity anio ity ireo mpilalao handrafitra ny Makis Ladies hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sokajy D3, taranja rugby, lalaovin’olona 15. Miisa 35 ireo hifantenana ho amin’izany. Raha tsy misy ny fiovana, hamoaka ny anaran’ireo mpilalao ho ao anatin’ny Makis Ladies ny mpanazatra sy ny Malagasy Rugby, […]

1st Mobil Rally of Boeny: lasan’i Mathieu sy i Andry Tahina ny fandresena

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany Mahajanga, ny 1st Mobil Rally of Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara eo amin’ny taranja Rallye. Fihaonana nokarakarain’ny klioba Go janga. No­rombahin’ny ekipazin’ny klioba Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Andry Tahina (A.T) ny fandresena. Izy mirahalahy izay nitondra ny fiara […]

Tompondakan’i Afrika: nisaraka ady sahala ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates

Tontosa omaly, tao amin’ny kianja Côte d’Or Maurice, ny lalao savaranonando mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Nisaraka samy tsy nisy nitoko ny Disciples FC Madagasikara sy ny Orlando Pirates avy atsy Afrika Atsimo. Nosahiranin’ny Malagasy tanteraka ry zareo Afrikanina Tatsimo, teo amin’ny 15 mn nanombohana. Nobodoin’ny […]

Sombim-baovao

Any Mahajanga indray no hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny mpiasam-panjakana (Asief), ho an’ny taona 2025. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny “Asief 2024”, izay notontosaina tany Antsirabe. Hatao any Antsirabe, manomboka ny 25 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy U20, lehilahy sy vehivavy. […]

Faha-60 taonan’ny Maître Gildas: fahombiazana ny «Gildas Fight Night»

Tontosa ny sabotsy 17 aogositra lasa teo, teny amin’ny Henri Fraise Ankoron­drano, ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Lano­nana narahina fifaninanana, nampitondraina ny anarana hoe “Gildas Fight Night”. Afapo ny mpikarakara ary fahombiazana no azo nan­dritra ny hetsika. Tanjona, ankoatra ny fankalazana, ny anomezana lanja ny taranja Muay […]