Fanatajahantena

Handball : Nofoanana tanteraka ny CCCOI 2025

Notapahin’ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AHBOI) sy ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) fa foana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2025), natao tany Toamasina. Ny fahasimban’ny Kianja mitafo, noho ny rivodoza no antony. Andrasana amin’ny fotoana manaraka ny ho tohiny. Vokatry ny fahasimban’ny Kianja mitafo ao […]

Ramaroson Jean Michel : Lany ho filohan’ny FMBB faninefany

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay hitantana ny Federasionina malagasin’ny basikety. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaroson Jean Michel, ka lany indray hitantana ny FMBB mandritra ny efa-taona manaraka (2026-2030). Fotoam-pitantanana faha-4 ho azy ity nahalany azy ity. Ligy 19 tamin’ireo 20 nandatsa-bato no nifidy azy nandritra […]

Federasionin’ny tenisy : Kandidà roa hiady ho filohany

Rehefa avy nanamarina ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) eo anivon’ny taranja tenisy. Kandidà roa no voatazona hiady izay ho filohan’ny Federasionina. Anisan’izany Andriantefihasina Hary Manohisoa sy Rakotondrainibe Simon Richard. Olona tsy vaovao amin’ny tontolon’ny tenisy izy mirahalahy ireo. Samy mpilalao tenisy fahiny ary mbola […]

“Pureplay Football League» : Mangataka ny hamerenana ny lalao any aminy i Boeny

Miantso ny federasionina sy ny CFEM hamerenana ny ambin-dalao any amin’ny Kianja Rabemananjara ny ligin’i Boeny. Miteraka fatiantoka ho azy ireo ny famindrana ny lalao aty Antananarivo, arakany nambaran’ny filohany. Nanao antso avo ho an’ny tomponandraikitry ny Federasionina sy ny CFEM i Maeva Portos, filohan’ny ligin’ny baolina kitra ao Boeny, […]

Pureplay Football League (PFL) : Mitarika ny Disciples FC, faharoa ny Elgeco Plus

Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo, amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League” (PFL), ny Disciples Fc Vakinankaratra. Nahazo isa telo indray izy ireo, tamin’ity andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena ity, rehefa nandavo ny AS Ste Anne, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, afakomaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavolo­ha. Manana […]