Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Efa aty amin’ny faha-10 andron’ny volana febroary, mbola tsy fantatra mazava ny hoavin’ny mpanazatra ny Barea. Raha ny resaka farany, efa mandroso ny fifampiresahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nivoaka ny alahady teo, teny Bemasoandro Akamasoa, […]

Handball – CCCOI : Resin’ny TMI Ihosy ny AJM Tsimkoura

Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompondaka, taranja handball (CCCOI 2025). Fifaninanana tanterahina any amin’ny Kianja mitafo Toamasina. Nisantatra ny fihaonana ny lalao teo amin’ny sokajy vehivavy. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 37 no ho 32 ny TMI Ihosy nanoloana ny […]

Karate-DAF : 14 mianadahy miofana eny Ampefiloha

Miditra amin’ny andiany fahatelo ny fiofanana hahazoana ny “Diplôme d’animateur fédéral” na ny DAF karakarain’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. 14 mianadahy no manaraka izany. Nanomboka ny sabotsy 7 febroary lasa teo, eny Ampefiloha, ny fiofanana andiany fahatelo amin’ny DAF. Fiofanana hiarahan’ny fe­derasionin’ny Karate-do Ma­lagasy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary […]

Fifaninanana – Ma-Hery Futsal : Hatramin’ny 14 febroary ny fisoratana anarana

Hotanterahina ny 22 feb­roary hatramin’ny 1 marsa ho avy izao, etsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny Oniversite, “Ma-hery Futsal”. Araka ny fanazavan’ ny mpikarakara Fief Mada tetsy Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, mbola misokatra hatramin’ny 14 febroary ho avy io, ny fisoratana anarana amin’izany. Tsara mampaha­tsiahy […]