Tsy raikitra ny fampivondronana an’ireo mpikatroka taekwondo 33 mianadahy izay tokony hatao rahampitso. Raha ny fantatra, efa nandefa anarana atleta roa mialohan’ny fotoana ny filohan’ny Federasiona malagasy taranja Taekwondo teo aloha, ka tsy misy antony hanaovana ny fampivondronanana farany intsony. Hotanterahina any Korea, ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ho avy […]
Fanatajahantena
Volley-Mada D1: nafana ny fifandonan’ny ASSM sy ny MVBC
Lalao 8 avy hatrany no nanokafana ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy “1ère division”, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana tontosaina eny amin’ny kianjan’Itaosy. Fifandonana anisan’ny tena niady sy nampitsanga-mitoetra ny mpijery ny lalao teo amin’ny MVBC sy ny ASSM, sokajy lehilahy. Tany amin’ny Tie Break, […]
Kitra – D2 Nationale: nomontsanin’ny FC Theo, 3 no ho 0, ny FCA Ilakaka
Notanterahina omaly, teny amin’ireo kianja roa, Ambohidratrimo sy Elgeco Plus Stadium By-pass, ny andro fahatelon’ny “Poule des AS” amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, taranja baolina kitra. Ratsy ny vokatra ho an’ny FCA Ilakaka. Lavon’ny FC Theo Sava, 3 no ho 0, izy ireo, omaly, teny Ambohidratrimo. Raha […]
DAKA AN-JORONY: Aza atao vely ampongan’i Manendy
Tsy atoro ny rehetra intsony fa amin’ny fiainana, ilaina hatrany ny fitandremana. Mailo amin’izay rehetra atao satria malama maina ny lalan-kodiavina. Toy izany koa amin’ny fanatanjahantena, maro ny zavatra jerena mba tsy ho diso tanjona. Banjinina ny eo aloha, todihina ny ao afara, iherehana ny ao an-kavia sy an-kavanana. Mitovy […]
Tenisy – “ITF Junior J30”: Tompondaka ho an’ny olon-droa miaraka i Iriela sy i Sisu Makena
Nisongadina indray ny vehivavy malagasy mpilalao tenisy nandritra ny fifanintsanana “ITF World Tour Junior J30”, izay natao tany Ghana. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny olon-droa miaraka izy, raha nampian’ilay ganeanina, Sisu Makena Tomegah. Nifarana omaly, tany Accra Ghana, ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja tenisy, “ITF World Tour Junior J30”, sokajy lahy […]