Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Tafaverina hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka, Andriamahazo Norolalao. Izy indray izany no handimby an-dRaherison Dominique. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ ny Ininfra Alarobia, ny fivoriamben’ny fifidianana ny taranja Atletisma malagasy. Andriamahazo Norolalao, […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio, eny amin’ny Ininfra Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja atletisma (FMA). Kandidà miisa telo no hifanintsana, ary 14 ny ligy ara-dalàna afaka hanatrika ny fifidianana. Anisan’ireo kandidà mbola mirotsaka ho filoha moa ny mpitantana ny Federasionina farany teo, Raherison Dominique. Hotontosaina rahampitso, etsy Iavoloha, amin’ny […]
ASIEF : Mbola lany ho filoha i Jhon Love
Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Mbola lany hitantana mandritra ny efa-taona manaraka indray ny filoha am-perinasa, Andrianarison Jean Aimé, na i Jhone Love. Kandidà 4 no nifaninana ary miisa 122 no voasoratra tao anatin’ny lisi-pifidianana, […]
Baolina kitra: Hilalao amin’ny klioban’ny BFC i Bolo
Vaovao tsara ho an’ny kitra malagasy! Nalain’ny klioban’ ny BFC Preussen Berlin, klioba divizionina fahefatra ao Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Malagasy mpilalao, araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo, afakomaly. Manana ny lazany ao amin’ny renivohitr’i Allemagne ity ekipa hilalaovan’i Bolo ity. Araka ny fikarohana […]
Fifidianana eo anivon’ny FMA : Tsy hanaiky raha tsy mifidy i Analamanga, Boeny, Amoron’i Mania
Hafana vay ny etsy Alarobia, anio, amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Ligy telo mantsy tsy nahazo fiantsoana hifidy ka milaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany fa hitaky ny zony. Mandrangaranga ny fampiharana ny lalàna kosa ny federasionina sy ny kaomity Olympika malagasy (KOM) ary […]





