Fanatajahantena

Volley-Mada D1: nafana ny fifandonan’ny ASSM sy ny MVBC

Lalao 8 avy hatrany no nanokafana ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy “1ère division”, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana tontosaina eny amin’ny kianjan’Itaosy. Fifandonana anisan’ny tena niady sy nampitsanga-mitoetra ny mpijery ny lalao teo amin’ny MVBC sy ny ASSM, sokajy lehilahy. Tany amin’ny Tie Break, […]

Kitra – D2 Nationale: nomontsanin’ny FC Theo, 3 no ho 0, ny FCA Ilakaka

Notanterahina omaly, teny amin’ireo kianja roa, Ambo­hidratrimo sy Elgeco Plus Stadium By-pass, ny andro fahatelon’ny “Poule des AS” amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, taranja baolina kitra. Ratsy ny vokatra ho an’ny FCA Ilakaka. Lavon’ny FC Theo Sava, 3 no ho 0, izy ireo, omaly, teny Ambohidra­trimo. Raha […]

Tenisy – “ITF Junior J30”: Tompondaka ho an’ny olon-droa miaraka i Iriela sy i Sisu Makena

Nisongadina indray ny vehivavy malagasy mpilalao tenisy nandritra ny fifanintsanana “ITF World Tour Junior J30”, izay natao tany Ghana. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny olon-droa miaraka izy, raha nampian’ilay ganeanina, Sisu Makena Tomegah. Nifarana omaly, tany Accra Ghana, ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja tenisy, “ITF World Tour Junior J30”, sokajy lahy […]

Sombim-baovao

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny “Critérium des ceintures noires”, taranja karate. Hetsika nokarakarain’ny UKCM, teo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ny karate-do. Teny amin’ny ANS Ampefiloha no nanatanterahana ity fotoana natokana ho an’ny tepana mainty ity. Niditra tamin’ny andro faharoa, ny faran’ny herinandro teo, ny “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny […]