Nitohy omaly ny andro faharoa amin’ny lalao mandroson’ ny “Poule des As” hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola League Des Champions D2 Nationale”. Teny amin’ny Kianjan’Ambohidratrimo, nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny FCA Ilakaka sy ny FC Avenir Anosy. Lalaon’ny samy nandresy ny an’ny […]
Fanatajahantena
Rugby- Fanomanana ny « WXV III »: nomen’i Kenya lesona ny Makis Ladies
Nomontsanin’ny Lionesses Kenya, tamin’ny isa mavesatra 63 no ho 19, ny Makis Ladies de Madagascar, omaly, tany Nairobi Kenya. Miandry an’i Madagasikara any Dubaï ny ekipa nasionaly espaniola. Notontosaina omaly, tao Nairobi, ny fihaonan’i Madagasikara sy Kenya. Lalao hanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena “WXV III”, izay hatao any Dubaï, ny 27 […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 9 hatramin’ny 12 desambra izao, any Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja kick-boxing. Handray anjara i Madagasikara ary efa eo am-pandaminana ny fanatanterahana ny fampivondronana ireo mpikatroka hotsongaina amin’izany ny Federasiona malagasin’ny kick-boxing. Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara no fifaninanana farany eto an-toerana, miandry ny […]
Vital Serge : hifantoka amin’ny fanatanjahantena
Toy ny efa fanaony, mitohy hatrany ny fijerena akaiky ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena, ho an’ny filohan’ny EST (Espoirs sportifs de Tuléar), i Vital Serge. Tafiditra anatin’ny tetikasany ny fanatanjahantena sy ny fitsinjovana ny hoavin’ny tanora ao Toliara. Nisy ny fanomezana fanamiana “maillots” ho an’ ireo ekipa mpikatroka baolina […]
Baolina kitra, vehivavy : goavana ny tanjonan’ny Ascam Afa
Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 11 oktobra ho avy izao, eto Antananarivo, Antsiranana, Fenoarivo Atsinanana, Mahajanga sy Toliara ary Ambalavao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny klioban’ny Ascam Afa Itasy, fa efa vonona tanteraka izy ireo hiatrika ity fifanintsanana nasionaly […]