Nankalazaina ny sabotsy 31 janoary lasa teo ny faha-80 taonan’i Hanshi Raharimanantsoa Hugues. Fifampizarana sy fampiofanana teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso no nanamarihana izany. Tonga marobe namaly ny antso ireo mpikatroka amin’ireo haiady 4 nataony dia ny Karate-do, Yoseikan Budō, Tai-chi-chuan ary ny Iaidō. Vavolombelon’ny tantara tamin’ireo haiady karazany 4 ireo […]
Fanatajahantena
Sekolin’ny baolina kitra : Mandray ireo manam-pahaizana Portugais
Ho avy eto Madagasikara, hizara fahaizana sy hampitombo traikefa ho an’ireo mpanazatra sy ny mpilalao, i Rui Fernandes sy i Guilherme Farinha, avy any Portugal. Hanomboka ny 12-21 febroary, etsy Betongolo sy Ambatolampy Tsimahafotsy, ny hetsika. Mikarakara hetsika fampiofanana mpanazatra sy mpilalao ny sekolin’ny baolina kitra Dream Team. Araka ny […]
Échecs-Analamanga : Nahomby ny lalao fanokafana ny taona
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja échecs. Teny amin’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena Ampefiloha no nanatanterahana izany. Nahomby tanteraka satria tonga marobe, namaly ny antso, ireo mpilalao izay tafakatra 135. Na dia teo aza ny andro ratsy, tsy nahasakana ireo mpandray anjara […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina teny amin’ny Akademia nasionalin’ny Fanatanjahantena Ampefiloha, ny 31 janoary hatramin’ny 1 volana febroary teo, ny fampiofanana ny mpitsara mahakasika ny fihetsika mirindra « Pomsae » sy ny adin’olon-droa « Kyorugi » amin’ny taranja Taekwondo WT. Nanatrika izany ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Hotanterahina, anio, amin’ny 10 ora maraina, eny […]
Rugby – XXL Top 12 : “Tsy hisy ho dinganina”, hoy ny federasionina
Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, tokony ho natao ny alahady 1 febroary lasa teo, nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby fa tsy dinganina akory ny kalandrie. Betsaka ireo mpankafy nihevitra fa avy hatrany dia hotanterahina ny andro fahenina […]





