Fanatajahantena

Filaharan’ny Fifa : nivarina any amin’ny faha-108 i Madagasikara

Nihemotra ny laharan’ny Barea de Madagascar ao amin’ny Fifa, taorian’ilay fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” iny. Nanary laharana telo ny ekipa nasionaly. Taorian’ny lalao roa izay tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehana ny “Can Marôc 2025”, izay natao tany Tunisie, tapa-bolana lasa teo izay, nivarina ho faha-108 indray […]

Baolina kitra – «Ligue des champions d’Europe»: nomontsanin’ny Bayern ny Dinamo Zagreb

Notanterahina ny talata lasa teo, nanerana an’i Eo­ropa, ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des champions 2024». Voahaja ny lojika satria tafavoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’ny nisongadina indrindra ny nanamontsanan’ny Bayern de Munich, tamin’ny isa mavesatra 9 no ho […]

Karate-Rezionaly : ligy telo hifaninana

Anatin’ny fiatrehana ny fifaninanana rezionaly avokoa, amin’izao, ireo ligim-paritry ny karate-do malagasy. Ligy 3 indray no hanatanteraka ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly ao amin’ny ligy misy azy avy, ny faran’ity herinandro ity. Ho an’ny ligin’Analamanga, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, no hanaovana ny fifaninanana, ny sabotsy izao, izay ahitana […]

Tenisy : hampiantrano ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30” ny Malagasy

Handray lalao iraisam-pirenena goavana ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hatao eto Madagasikara ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30”, hifanandrinan’ireo kalaza, lahy sy vavy, eto Afrika. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Club Olym­pique de Tananarive (COT), manomboka ny alatsinainy 23 septambra ho avy izao ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja tenisy, sokajy zandriny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, eto Antananarivo, ny Poule des As, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra, sokajy D2. Hampiantrano izany ny kianja Elgeco Plus stadium sy ny eny Ambohidratrimo. Ekipa efatra no hiady lohany dia ny FC Theo Sava, AS Avenir Androy, AS Fos Analanjirofo ary ny FCA Ilakaka. Hitohy […]