Fanatajahantena

Sombim-baovao

Nifarana omaly, teny amin’ny ANS Ampefi­loha, ny fampiofanana ireo ankizy mpikatroka, taranja Karaté. Miisa 28 mianadahy teo izy ireo no niatrika izany teny an-toerana, nandritra ny efatra andro. Ankoatra izay, ny volana septambra ho avy izao ny Malagasy mpikatroka dia hiady ny ho tompondakan’i Afrika any Tunis. Nangoron-damba ny ekipam-pirenen’i […]

Bisikileta – « Ocean Indien »: laharana fahasivy i Mohamed Houlder

Nifarana tamin’ny 3 jolay lasa teo ny fifaninanana amin’ny taranja bisikileta, ho an’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay notanterahina tany Maurice. Laharana fahasivy tamin’ny “Course en ligne” i Fitahiantsoa Amédée Dino Mohamed na Mohamed Houlder, Malagasy mpilalao. « Azo lazaina fa tokony ho tsara ihany ny vokatra tamin’ity fifanintsanana ity saingy […]

Rugby à VII – “Africa seven’s Men Cup” : Hiatrika ny «challenger series world 2025» ny Makis

Tsy niveri-maina fa nitondra vokatra tsara ny Makis de Madagascar nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona fito «Africa sevens men cup 2024». Tafita hiatrika ny «challenger series world 2025» i Madagasikara. Nifarana omaly, tao amin’ny kianja Lambourdonnais Mau­rice, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka ny alakamisy teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampiofanana ireo ankizy, vavy sy lahy, taranja karaté. Tanjon’ny Federasiona malagasin’ny Karate Do ny hampivoatra ireo zaza ireo amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa haharitra efatr’andro ny fiofanana. Afaka andro vitsy, hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja Handball, […]