Fanatajahantena

Baolina kitra – Can 2025: Ny Faraonan’i Egypte no nahazo ny amboara be indrindra

Hitodika any Maroc avokoa ny mason’ny mpitia baolina kitra afrikanina, afaka efatra andro. Hanomboka amin’ny alahady 21 desambra izao ny andiany faha-35 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025). Raha ny antontanisa, mbola ny Fa­raonan’i Egypte hatrany no nandrombaka ny amboara be indrindra. Impito ny egyptianina no nahazo izany. […]

SOMBIM-BAOVAO

Afaka andro vitsy, hanomboka ny Can 2025, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity, ny fifanandrinan’i Maroc, mpiampiantrano sy i Comores. Tsara marihina fa i Comores no solontenan’ny ranomasimbe Indianina amin’ity fifanintsanana afrikanina ity. Laharana fahefatra tamin’ny mpikatroka 13 ny judokas malagasy, Rakotomalala Sandaniaina, nandritra […]

Karate-do-Mada isan-tarika: Ekipa 20 no andrasana etsy Mahamasina

Hotanterahina manomboka rahampitso ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny isan-tarika. Manodidina ny 20 eo ny ekipa andrasana amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina, voalohany no notontosaina mitokana ny fifaninanam-pirenena isan-tarika ho an’ny eto Mada­gasikara. Tafiditra anatin’ny programa apetraky ny Federasionina iraisam-pirenena ny Karate-do izany, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Federasionina, […]

“Pureplay Football League (PFL)” : Hanomboka ny alahady ho avy izao ny fifanintsanana

Hotontosaina ny 21, 27, 28 desambra ho avy izao ny andro voalohany, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Hizara vondrona roa ireo klioba 16 mandray anjara. Raikitra ny baolina! Ara­ka ny loharanom-baovao, nivory tetsy Ando­haranofotsy, afakomaly, ny Fikambanan’ny klioba elita amin’ny baolina kitra eto […]

Lalao Fihezama 2025: Mpandray anjara 400 no andrasana

Andro sisa isaina dia higadona ny sabotsy 20 sy alahady 21 desambra hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fi­taizana ny herin’ny zatovo Malagasy) 2025. Hetsika hatao any Manjakandriana. Mpan­dray anjara manodidina ny 400 eo no andrasana, araka ny nambaran’ny filo­han’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond, izay mbola manentana hatrany ho an’ireo maniry ny […]