Niala sasatra ny ekipa rehetra miatrika ny Can 2025 any Maroc, omaly, ary samy nankalaza ny fetin’ny Krismasy avokoa. Efa tapitra nahavita ny andro voalohany avokoa izy ireo. Hitohy anio ny fifanintsanana ka hisantatra izany indray ny vondrona “A” sy ny “B”. Anisan’ny lalao hahaliana ny rehetra ny an’i Comores […]
Fanatajahantena
Rugby: amin’ny febroary ny “Top 12”
Tapitra tamin’ny fiadiana ny amboara nankalazana ny faha-125 taonan’ny rugby teto Madagasikara, natao ny alahady 23 desambra lasa teo, ny fifaninanana ho an’ny taona 2025. Miato aloha izany ny fihaonana rehetra satria hiatrika ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao ny mpilalao rehetra. Raha ny vaovao avy amin’ny Malagasy Rugby, […]
Pancrace MMA-Mada 2025: Niakatra ny lentan’ny mpikatroka
Tontosa ny sabotsy 20 desambra teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Pancrace MMA, taom-pikatrohana 2025. Katrokady 40 no nitranga, nandritra izany. Niakatra ny lentan’ny mpikatroka nandritra ity fifaninanam-pirenena teo amin’ny taranja Pancrace MMA, ity. Tena nahitana taratra izany ny teo amin’ny sokajy taninketsa, raha […]
TARANJA BAOLINA KITRA: Mijanona eo amin’ny laharana faha-105 i Madagasikara
Tsy miova ny filaharan’i Madagasikara ao amin’ny Fifa. Nahatonga izany ny tsy fanatrehan’ny Malagasy fifanintsanana iraisam-pirenena tamin’ity volana desambra ity. Nivoaka afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa ny filaharan’ireo firenena amin’ny taranja baolina kitra maneran-tany. Tsy miova ny laharan’i Madagasikara fa mijanona eo amin’ny faha-105. Tsiahivina fa ny volana novambra lasa […]
Karate-Mada isan-tarika: nifampizaran’ny klioba 4 ny fandresena
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, ho an’ny isan-tarika, Kata sy Kumite. Nahitana ny fifandanjana lentan’ny klioba izany satria klioba 4 samihafa no nandrombaka ny fandresena. Azon’ny Tiger’s Andohalo ny anaram-boninahitra teo amin’ny Kata, lehilahy. I Ichiban, Atsimondrano kosa […]





