Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 7, ny Makis de Madagascar, sokajy Senior, lehilahy. Ao amin’ny vondrona “A”no misy an’i Madagasikara, miara-dalana amin’i Kenya. Hanomboka amin’ny sabotsy 29 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianja Lambourdonnais Stadium, ao Port Louis Maurice, ny fiadiana ny ho […]
Fanatajahantena
Lalao Echec – Afrique 2024: tompondaka lefitra i Nivo Hasina
Fararanom-bokatra ny fanatanjahantena malagasy, tamin’ ny faran’ny herinandro teo. Nentin’i Tsinjoviniavo Nivo Hasina ambony be indray ny lazan’i Madagasikara.Voahosotra ho tompondaka lefitra eto Afrika, ho an’ny sokajy zandriny U10, teo amin’ny lalaon-tsaina Echec, indray mantsy ny tenany. Fihaonana natao tatsy Afrika Atsimo, ny 16 ka hatramin’ny 21 jona lasa teo. […]
Baolina kitra – «Euro 2024»: saro-toerana ny ekipan’i France
Tsy mbola tafita amin’ny ampahavalon-dalana i France, ao amin’ny sokajy «D», eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Hiankina amin’ny lalao anio no hahalalana ny tohin’ny dian’izy ireo. Tsy manana afa-tsy isa 4 mantsy ny frantsay hatreto. Tranga maromaro no mety […]
Rugby- « Africa Men’s Seven 2024 »: hifanandrina amin’ny ekipa nigeriana ny Makis
Hotanterahina any amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, ny 29-30 jona sy ny 6 hatramin’ny 7 jolay ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, taranja rugby lalaovin’olona fito. Ao anaty vondrona A no misy an’i Madagasikara. Afaka andro vitsy! Hiatrika lalao iraisam-pirenena indray ny ekipam-pirenena malagasy Makis, ny 29 jona ho avy izao, […]
« Coca-Cola PFL »: adin’ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus ny famaranana
Notanterahina teto an-dRenivohitra sy tany Toliara, omaly, ny lalao manasa-dalana miverin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Football League (PFL)”. Nahazo ny tapakilan’ny famaranana tamin’ity fifaninanana nasionaly ity ny Elgeco Plus Analamanga sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, ny Disciples FC nandresy ny Zanakala FC, […]