Fanatajahantena

Tunisie # Sao Tome et Principe : Malagasy no hitsara ny lalao

Malagasy mpitsara baolina kitra no notendren’ny Kaonfe­derasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf), hitsara ny lalao hifanandrinan’i Tunisie sy Sao Tome et Principe. Fihaonana tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, faritra Afrika, vondrona H. Hotanterahina ny zoma 10 oktobra, ao amin’ny Stade Hammadi Agrebi, Radès Tunisie. Mpitsara afovoany Rakotojaona Andofetra […]

“CAN 2025” : Nitombo ny lelavola ho azo

Namoaka tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) fa hampitomboina ny lelavola homena ny ekipa mandresy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2025). Araka izany, hahazo 7 tapitrisa dolara ny ho tompondaka raha 4 tapitrisa ny faharoa. Samy hotolorana 2, 5 dolara daholo […]

Karate-Monde 2025 : Vonona tanteraka ny solontena malagasy

Hotanterahina any Le Caire, Egypte, ny 28 hatramin’ny 30 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja karate, ho an’ny sokajy Senior. Efa vonona ny solontena malagasy. Araka ny efa fantatra, taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Nizeria, tafakatra avy hatrany hiatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity […]

SOMBIM-BAOVAO

Nofoanana ary ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fifaninanana “Madagascar interna­tional BJJ Open 2025”, taranja Jiu-jitsu Breziliana, nokasaina hatao ny 12 oktobra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Noho ny toe-draharaha misy eto Antananarivo sy ho fitsinjovana ireo atleta no anton’izao fanapahan-kevitra izao, araka ny fanazavan’ ny Federasiona miandraikitra […]

Tsipy kanetibe – Grande finale : Ahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra

Noho ny toe-draharaham-pirenena tsy mbola milamina amin’izao fotoana izao, ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny famara­nana lehibe amin’ny tsipy kanetibe. Fihaonana, tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taon’ny tranom-piantohana Aro ary hiarahany amin’ny Fédération sport-boule mala­gasy (FSBM). . Raha tsiahivina, tokony ho natao ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 […]