Fanatajahantena

« IJF Tour – Grand Prix Qingdao » : Nandrombaka medaly volafotsy Rasoanaivo Laura

Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja Judo, sokajy vehivavy, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Laura. Nahazo medaly volafotsy ny tenany, tamin’izany, ary notolorany ho an’ny Malagasy ny medaly azony. Ny zava-drehetra dia azo tanterahina! Nandrom­baka medaly volafotsy, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena, amin’ny taranja Judo, izay natao tany Chine, ny faran’ny herinandro teo, […]

Mpanazatra Corentin Martins:  Ahemotra ny fifampizarana

Araka ny vaovao hita omaly tao anaty tambajotran-tserasera, ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fifampizarana izay tokony hotontosaina anio, any Mahajanga, miaraka amin’i Corentin Martins, mpanazatra Barea. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ny anton’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’ity frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy raikitra indray ilay seminera iarahana amin’ilay Frantsay mpanazatra, i Anthony Masblanc, eo amin’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Tsiahivina fa efa ny 25 septambra ny daty voatondro. Nahemotra ho omaly izany ary izao mbola tsy tanteraka izao no ho ny toe-javamisy eto amin’ny firenena. Hotanterahina ny 4 sy 5 oktobra izao […]

Volley-Mada 1D: Tafakatra famaranana ny GNVB sy ny Squad

Nisafidy ny tsy hampitsahatra ny lalao manasa-dalana, omaly, ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, na teo aza ny korontana nisy teto an-dRenivohitra. Araka izany, tontosa ny lalao manasa-dalana teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nilaza mialoha ny tsy handray anjara ny ekipan’ny AMVB noho ny toe-javamisy, ka tafakatra avy […]