Fanatajahantena

JCBA-Game Day: hanomanana ny fifaninanam-pirenena 2024

Hotanterahina ny 22 hatramin’ny 25 jona izao, ny fifaninanana “Game Day”, taranja basikety, karakarain’ny klioban’ny JCBA. Toy ny isan-taona, miezaka mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena, amin’ny sokajy rehetra ny klioban’ny JCBA, taranja basikety. Miezaka ihany koa ity klioba ity ny hitady vokatra tsara hatrany sy hampitombo ny lentan’ny mpilalao ao aminy. […]

DAKA AN-JORONY: kitranotranon’ankizy no vitan’ny lambalamba

Taranja malaza indrindra eto amin’ity planeta tany ity ny baolina kitra. Raharaham-pirenena mihitsy izy ity ho an’ny ankamaroan’ireo fanjakana any ivelany. Porofon’izany, rehefa resy ny ekipam-pirenena, misavoritaka hatrany amin’ny governemanta rehetra. Raha mibata amboara, miditra an-tsehatra hatramin’ny filoham-pirenena. Marina ilay fitenenana hoe : «Salama ny firenena rehefa mandeha ny baolina kitra». […]

« Telma Coupe 2024 »: fantatra avokoa ireo tafita amin’ny manasa-dalana

Nifarana omaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Hiady ny tapakilan’ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny Inate Fc Rouge ary ny Disciples sy ny CFFA. Tafita any amin’ny dingan’ny manasa-dalana fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, «Telma Coupe 2024»,  ta­ranja baolina kitra, ny ekipan’ny Elgeco […]

Sombim-baovao

Notanterahina nanomboka ny zoma alina teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, « Euro 2024 ». Tsara fanombohana i Allemagne, mpampiantrano, nandresy an’i Ecosse, 5 no ho 1 izy ireo. Anio kosa no hiakatra kianja i France, hihaona amin’i Autriche. Lavon’i Johnny Gauvin, renioney mpikatroka muay-thaï, tamin’ny KO, teo […]