Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Mitana ny laharana faha-43 maneran-tany ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy. Filaharana na­voakan’ny World Rugby, ny 24 novambra lasa teo. Manana isa 45, 76 ny Makis amin’izany. Ho an’ny vehivavy indray, laharana faha-31 ny Makis Ladies, manana isa 42, 34. Mbola ny Springboks Afrika Atsimo no voalohany maneran-tany raha ny […]

Baolina Kitra-« Grand Match de Défi »: Amboara lehibe ho an’ny ekipa mpandresy

Efa manomboka mahoraka sy malaza ao Toamasina sy anaty tambajotran-tserasera ny lalao baolina kitra “Grand match de défi”, hotanterahina ao amin’ny Kianja Barikadimy, ny 28 desambra ho avy izao. Fi­haonana hifanandrinan’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany sy ny Barea Chan amin’ny ekipan’ny Disciples FC Va­kinankaratra. Nilaza ny mpi­ka­rakara, Patricio, fa hisy […]

Judo-“Coupe de Mada” : Fifaninanana hamara­nana ny taona 2025

Hotanterahina ny 27 sy 28 desambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Judo. Io no fifaninanana hamaranana ny taona ho an’ny Federasionina malagasin’ny Judo. Araka ny fandaharam-potoana, hotanterahina ny zoma 26 desambra ny fivoriana ara-teknika ka hitohy avy hatrany amin’ny antsapaka ho an’ny […]

Tsipy kanetibe : Lasan’i Zigle ny « La main d’or 2025»

Nentin’i Zigle nitety an’izao tontolo izao indray ny anaran’i Madagasikara. Norombahiny ny «La main d’or 2025», mpilalao mendrika indrindra maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Izy no Malagasy voalohany nandrombaka izany. Nanakoako maneran-tany indray ny lazan’ny tsipy kanetibe malagasy, ny alatsinainy alina teo. Norombahin-dRakotondraibe Jean François Daniel (Zigle), ny “La […]

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS) : Hanangana efitrano fatoriana sy fiofanana

Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavima­so­andro, ny fankalazana ny An­dron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RC­TS). No­tsiahivin’­Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana […]