Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, mialoha ny hidirana amin’ny dingana farany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy 1ère division, lahy sy vavy. Tanterahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano sy eny amin’ny ANS Ampefiloha izany. Tsy mbola lefy laza hatreto ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball) […]
Fanatajahantena
« Ballon d’or » : Lasan’i Ousmane Dembelé
Ilay Frantsay mpilalao baolina kitra, lohalaharan’ny Paris St Germain (PSG), i Ousmane Dembelé, no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny taom-pilalaovana 2024/2025, ka nandrombaka ny «Ballon d’or». Ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny Théâtre du Chatelet Paris, no nanaovana ny lanonam-panolorana izany. Hetsika nokarakarain’ny France Foot-ball. Anisan’ny andrin’ity ekipa […]
Baolina kitra: Hilalao ao amin’ny klioba CFFA i Dax
Manana mpilalao vaovao efa kalaza amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy. Nahazo an’i Dax izy ireo. Haharitra herintaona ny fifanarahana. «Nifindra lasy !» Nambara ofisialy teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fahatongavan’ Andriamirado Arohasina na i Dax ao amin’ny klioban’ny CFFA. Araka ny nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa na Maire Tôta, […]
Houlder Mohamed Amédé : Laharana faha-47 amin’ny 55 maneran-tany
Somary ratsiratsy ny vokatra azon’ny Malagasy, nandritra ny fifaninanana ho an’ny tsirairay, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny taranja hazakazaka am-bisikileta, izay tontosaina any Rwanda. Laharana faha-47 amin’ireo 55 nandray anjara, i Amédé Houlder Mohamed. Nambarany, omaly, fa tena sahirana tanteraka ny tenany, noho ny tsy fitovian’ny fitaovana […]
SOMBIM-BAOVAO
Norombahin’ny ekipazy Asacm, nisy an’i Mathieu sy i Herii Possible, nitondra ny fiara Subaru, ny andiany faha-22 amin’ny « Rallye Tour de Tana ». Fihaonana notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. 1 ora 38 mn 49, 3 s ny fe-potoana vitan’izy ireo. Faharoa i Aro Kiady sy i Elvis (Asacm), tara 2 […]




