Fanatajahantena

Baolina kitra afrikanina : Vonona handresy ny Silver Strikers ny Elgeco Plus

Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity anio ity, ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny Silver Strikers an’i Malawi. Vonona handresy hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Malagasy. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Bingu National Stadium, […]

Kick-Boxing : Nofoanana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara

« Noho ny toe-draharaha mafana misy eto amin’ny firenena, voatery nofoanana indray ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick-boxing, nokasaina hatao anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ». Io no nambaran’ny Tale teknika nasionaly, i Anigael Gastros, omaly. Nilaza izy fa tena manahirana ihany ny zava-mitranga ankehitriny. Efa tonga eto […]

GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi : Tafakatra manasa-dalana

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, taranja volley-ball “1ère division”. Ho an’ny sokajy vehivavy, tafakatra amin’izao manasa-dalana izao ny ekipan’ny GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana omaly, lalao tena niady ny teo amin’ny Bi’As sy ny AMVB, […]

Tenisy – ITF Tour Juniors J30: Hatao eto Antananarivo ny lalao

Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena ny Fede­rasionina malagasin’ny tenisy (FMT), manomboka ny talata 30 septambra ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Kianja COT Ilafy izany. Hizara roa miavaka tsara izany fifaninanana izany. Ny andiany voalohany, hotantera­hina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ary ny an­diany faharoa kosa ny 7 […]

Rugby – Top 12 Mada: Hanohitra ny TFA Anatihazo ny Besetroka

Hiditra an-tsehatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ireo ekipa 12 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots. Hotanterahina ny alahady 28 septambra ho avy izao […]