Hatao ny volana septambra ho avy izao, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena XXL Top 12. Tsy mijanona kosa ny fifanintsanana Top 20, federaly faharoa, izay hatao ao Antanimena. Miato kely indray ny fifaninanana XXL Top 12, taranja rugby, federaly voalohany. Araka ny fanazavana azo tamin’ny Malagasy Rugby, omaly, hatao ny 2 septambra […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hisolo tena an’i Madagasikara, any Johannesburg, mandritra ny fampiofanana basikety ho an’ny tanora mendrika eto Afrika (Basketball Without Broders), Razanakarivelo Christelle sy Andrianjatovo Loic. Fampiofanana hatao ny 3 hatramin’ny 6 aogositra izao ka ny alarobia lasa teo izy ireo no niala teto an-tanindrazana. Niditra tamin’ny andro fahefatra, omaly, ny fiadiana […]
Basikety-Mada U14: hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio
Hifarana afaka 2 andro sahady, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lehilahy sy vehivavy, hatao any Mahajanga. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lehilahy sy vehivavy, nanomboka ny 27 jolay lasa teo […]
“1st Mobil Rally of Boeny” : mirefy 131, 400 km ny dingana manokana
Hotanterahina any Boeny, ny 15 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao, ny “1st Mobil Rally of Boeny”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Nambaran’ny Team Gojanga, mpikarakara tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety natao omaly, teny Ankorondrano, fa miisa 14 ny dingana manokana “ES” amin’ity izay mirefy 131, 400 […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny andro fahefatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Top 20», taranja rugby. Lalao efatra no voalahatra hatao etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena. Crai hifandona amin’ny Asa Ambohimanarina. XV Beravina Itaosy hifanazava amin’ny CEA. SCB hifampitana amin’ny FTAM ary ny FBM hidona amin’ny 3FAI. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, […]