Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”, andiany fahenina. Ankizy miisa 410 mianadahy, manerana ny Nosy, no nisitraka ny fiofanana nandritra ny efatr’andro teny an-toerana. Tsara marihina fa atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay nahitana fampiofanana isan-karazany. Tsiahivina fa mpanazatra 70 […]
Fanatajahantena
Tenisy- Davis Cup: nandresy an’i Libye, laharana voalohany i Madagasikara
Niampy indray ny fandresena ho an’ny ekipam-pirenana malagasy, taorian’ny andro faharoa. Resin’i Madagasikara 3 no ho 0 i Lybie, tamin’ny fifaninanana «Davis Cup » taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5, atao atsy Botswana. Mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C i Madagasikara taorian’ny andro faharoan’ny fifaninanana «Davis […]
Filaharan’ny Fifa: nilatsaka ho faha-105 i Madagasikara
Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, ny filaharan’ireo firenena rehetra, amin’ny taranja baolina kitra. Nilatsaka laharana iray, faha-105 i Madagasikara, raha toa ka faha-104 ny Malagasy teo aloha. Ny fifanintsanana eoropeanina “Euro 2024” sy ny amerikanina “Copa 2024”, no nanova ity filaharana ity. I Mozambika no mandimby ny toeran’ny Malagasy. […]
Basikety 3×3 – « Challengers Pristina »: hifandona amin’i Riffa sy i Kandava ny Ankoay
Rahampitso! Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany. Lalao roa avy hatrany no ataon’ny Ankoay. Niainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato hihazo an’i Kosovo, ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay. Hiady ny tapakila handehanana any Chine mandritra ny fifaninanana basikety […]
Baolina kitra – Fifaninanam-pirenena: niova anarana ho “World Cola League des champions”
Niova ho “World Cola League des champions” indray ny anaran’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra manomboka izao. Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ny orinasa Star ny Federasiona malagasy (FMF). Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ny sokajy «D2 National». Io no votoatin’ny fihaonan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny […]