Fanatajahantena

Baolina kitra – D2 Nasionaly : Fantatra ny datin’ny fifanintsanana

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Toliara sy Mahajanga, ny 21 – 30 novambra ho avy izao, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana D2 Nasionaly, taranja baolina kitra. Andrasana, araka izany, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hatra­min’ny nanoratanay, omaly, tsy mbola nisy […]

Karate-«Open de Saint Denis» : Tompondaka i Fano­mezantsoa Lauryne

Tontosa tany La Réunion, ny herinandro lasa teo, ny fia­diana ny amboaran’ny Karate Saint Denis, na “Open de Saint Denis”. Solontenan’ny Malagasy, nitondra ny anaran’ny klioban’ny Akka Avaradrano, i Fanomezantsoa Lauryne, izay mianatra ao Saint Pierre. Tsara ny vokatra ho azy satria voahosotra ho tompon­daka tamin’ity fifaninanana ity i Lauryne, […]

Rugby à 7, vehivavy – “Africa Womens” : Hiady ho lohany amin’ireo firenena 11 ny Makis

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona 7, sokajy vehivavy. Firenena 12 hifanandrina hiady izay hahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Challenger Series 2026”. Anisan’izany ny Makis Ladies Madagasikara. Hanomboka anio, any Nairobi Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny taranja […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiverina amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ny fitantanana sy fikarakarana ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Natao izany, hahafahana mandray an-tanana ny fanohizana ny asa mifandraika amin’ny fepetra takin’ny Kaofederasionina afrikanina (Caf), hahazoan’ny kianja fankatoavana. Ny volana janoary, amin’ny taona 2026 izao, no hametraka ny taratasy fangatahana hahazoana fankatoavana ho […]

Tsipy kanetibe : Lasa mpilaravinahitra any ivelany ry Yves sy Zigle

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sooatel 67 Ha, ny la­nonana fanolorana fankasitrahana an’ireo mpilalao tsipy ka­netibe, izay nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy ta­min’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Teo koa ireo mpilalao nahazo vo­katra tsara tamin’ny fifaninanam-pirenena. Fantatra, nandritra io lanonana io, fa handeha hilaravinahitra any ivelany, any Frantsa, ry Yves […]