Notanterahina tany Maorisy, ny 7 sy 8 novambra lasa teo, ny fampisehoana sy fifampizarana nataon’ny fikambanana Traceur Gasy, eo amin’ny taranja Parkour. Fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Fahazavana” no nentin’izy ireo, nahitana an’i Faliniaina Antonio, Ranaivomanana Serge ary Ranaivomanana Toky. Tamin’ny alalan’ny “Théâtre physique” sy “poésie urbaine” no nanehoan’izy telo […]
Fanatajahantena
Barean’i Madagasikara: Betsaka ireo mpilalao nosoloina tamin’ny ora farany
Tsy araka ilay lisitra navoakan’i Corentin Martins ny zava-misy eo anivon’ny Barean’i Madagasikara. Miova hatrany ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Guinée Equatoriale. Araka ny tati-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, misy fiovana ny firafitry ny mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara, hidona […]
« Match de Défi » : Hitsapa ny heriny amin’ny Barea ny Disciples FC
Ho fiatrehana sahady ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana any amin’ny faritr’i Toamasina, ny Disciples FC Vakinankaratra. Araka ny vaovao efa miely, manerana ny tambajotran-tserasera, hifandona amin’ireo mpilalao milaravinahitra sy ireo nandrafitra ny Barea Chan farany teo ity klioba avy atsy Vakinankaratra ity, ny 28 desambra ho […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny loharanom-baovao voaray omaly, avy eo anivon’ny tomponandraikitry ny CFEM, fantatra fa nisy ny fivoriana teny anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, mahakasika ny fitohizan’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League », sy ny fifanintsanana D2 nasionaly. Andrasana, araka izany, ny vokatr’izany fivoriana notontosaina omaly izany. Nikatona omaly ny fifidianana ny […]
JJB-“Monde Amateur” : Resy tamin’ny “soumission ” i Nomasy
Ny sokajy Amateur no nisantatra ny fifaninanana ho an’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu Breziliana, tanterahina any Abu Dhabi. Nanana solontena tamin’ izany i Madagasikara, izay ahitana an’i Nomasy. Resin’i Oliver Gahrmaker, tamin’ny alalan’ny “soumission”, izy. Anisan’ny nandray anjara teo amin’ity sokajy Amateur ity ihany koa i Bryan, lavon’i […]





