Hanomboka anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”. I Madagasikara no mampiantrano ity andiany faha-6 ity, izay hositrahin’ny ankizy miisa 400 manerana ny Nosy. Atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay ahitana fampiofanana isan-karazany. Mpanazatra 70 avy amin’ny firenena afrikanina 15 ihany koa […]
Fanatajahantena
« Tournoi Sandratra 2 »: Nanjaka ny foibem-pibeazana Betania
Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny kianja St Michel Itaosy, ny famaranana ny tetikasa «Tournoi Sandratra 2», taranja baolina kitra ho an’ireo foibe mitaiza ireo zaza tsy misy mpiahy. Nanao pao-telo ny Betania, nibata amboara telo teo amin’ny poussin, minime, benjamin. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana avrily ny fifanintsanana […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena : nosarihin’ny minisitra tamin’ny lahateniny ny rehetra
Notontosaina tetsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. “Ny fanatanjahantena ho an’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana” ny lohahevitra tamin’izany. Tonga nankalaza izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nosarihin’ity […]
DAKA AN-JORONY: Aza atao toy ny kitapo afak’entana
Misavoritaka indray ny tontolon’ny fanatanjahantena mialoha ny hiatrehana ny lalao Olympika tanterahina any Paris France, afaka 11 andro. Toy ny mahazatra rehefa misy fivoahana, tsy milamin-tsaina mihitsy ny atleta. Rehefa tsy mitebiteby noho ny saran-dalana, mitaintaina amin’ny tsy fahampiana. Izao indray mitakokokoko fa novaina ny mpanazatra efa nanomana azy hatramin’izay. […]
Basikety – « Challengers de Pristina »: hiady ny tapakila handehanana any Chine ny Ankoay
Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy, ny 20 jolay ho avy izao. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany. Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina, hiainga ny 18 jolay ho avy izao, hihazo an’i […]