Fanatajahantena

Judo-Maitre Arsène: Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny IJF Academy

Misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny Malagasy mpisehatra amin’ny judo. Mpanazatra iray no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny judo (IJF Academy), ny herinandro teo, dia ny Maître Randrianitovina Arsène Nambinina. Mpanazatra nasionaly eo anivon’ny Federa­sionina malagasin’ny Judo Randrianitovina Arsène Nambinina. Niatrika fiofanana nampitain-davitra nandritra ny 18 herinandro, niampy […]

Karate-« Mada 2025 »: Nanjaka ny ligin’Analamanga

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate ho an’olon-tokana, teo amin’ ny sokajy Cadet, Junior ary Senior. Nanjaka ny mpika­troka avy eto amin’ny ligin’ Ana­lamanga, raha ny vokatra, satria norombahin’izy ireo ny medaly volamena 19 tamin’ ireo 23 niadiana. Anisan’ny nisongadina i Rija, […]

Kianja Barea Mahamasina : Vita ny 90 isan-jaton’ny asa fanamboarana

Nambaran’ny tale jeneraly vaovao, eo anivon’ny orinasa KBM, Rasolovoninjatovo Ma­dy, omaly, fa efa ny 90 isan-jaton’ ny asa, ankehitriny, no efa vita amin’ny fanamboarana ity kianja ity. Ny folo isan-jato kosa, na ny fiandrasana ny fahavi­tan’ireo tohatra eny amin’ny “gradins”, izay singa notakin’ ny Kaonfederasionina afrikanina misahana ny baolina kitra, […]

Volley-Amboaran’i Madagasikara : Nifampizaran’ny ekipa efatra ny fandresena

Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­rondrano, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona sy ny diviziona faharoa (D2), lahy sy vavy. Nifampiza­rana tanteraka ny amboara tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, sokajy U20 sy D2 lahy sy vavy ity, raha jerena […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana teo amin’ny fihodinana voalohany ny lalan-dRakotomaharo Fy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Échecs, tanterahina any Inde, nanomboka ny 31 oktobra lasa teo. Afapo izy na dia io aza ny vokatra, raha ny nambarany. Ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Doha, ny 25 hatramin’ny 31 desambra, indray […]