Fanatajahantena

Malagasy Rugby: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny mpitantana

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ivontoeram-piofanana Andohata­penaka, ny fivoriambe ara-potoana ho an’ny taom-piasana 2023, Malagasy Rugby. Fotoana nanaovan’ireo komity mpanatanteraka ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny moraly tamin’ireo ligim-paritra eo ambany fitantanany. Na­hatratra 8 ireo ligy niatrika izany: Vakinankaratra, Itasy, Alaotra Mangoro, Menabe, Atsinanana, Boeny, Ihorombe, Amoron’i […]

Rugby – Can 2024: hanao “Mondial D3” any Dubaï ny Makis Ladies

Tsy nitsanga-menatra ny Makis Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika rugby lalaovina olona 15 (Can 2024), sokajy vehivavy. Nahazo ny laharana faharoa, ary nandrombaka ny tapakila hiatrehana ny “Mondial” ho an’ny sokajy D3, hatao any Dubaï. Nifarana, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

Basikety- Acnoa: miravaka volamena ny Ankoay, lahy sy vavy

Misongadina tanteraka ny Malagasy mpilalao amin’ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito izay atao ao Seychelles, sokajy lehilahy sy vehivavy, U18. Nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny taranja basikety 3×3 ny ekipam-pirenena Ankoay, lahy sy vavy, omaly, nandritra ny famaranana. Ny vehivavy mpilalao, nanamontsana an’i Seychelles, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 21 no […]

AS Fanalamanga : mangataka ny hanasaziana ny Fosa Jr

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny AS Fanalamanga! Man­gataka ny hampiharana ny sazy noho ny fandikan-dalàna izay nataon’ny Fosa Junior Boeny ry zareo, araka ny va­lan­dresaka nataon’ireo mpitantana eo anivon’ity klioba ity, omaly, teny Nanisana. Raha ny fanazavan’izy ireo, tsy mbola nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mifindra any amin’ny Fosa Junior Boeny, Rajoma­zandry […]

Rugby vehivavy – «Can 2024»: hiady izay ho any Londres ny Makis sy ny Springboks

Famaranana goavana! Hifanandrina amin’ny Makis Ladies Madagasikara ny Springboks Afrika Atsimo rahampitso, eto Antananarivo. Fihaonana farany izay tafiditra amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Cup 2024”, sokajy vehivavy. Ho fantatra rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka, izay ekipa hisolontena an’i Afrika, hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby vehivavy lalaovina olona 15. […]