Nanainga omaly, hihazo an’i Espagne, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fifaninanana izay ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Junior. Fifanintsanana hanomboka ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, any an-toerana, izany. Araka ny fikarohana natao, handeha amin’ny Youtube avokoa ny lalao hatrehin’izy ireo. Tonga nanotrona ny […]
Fanatajahantena
“Battle for Africa”: Hiatrika ny ady miverina i Jerry
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Maorisy, ny andiany voalohany tamin’ilay fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay thai. Nandray anjara tamin’izany i Madagasikara, tamin’ny alalan’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nandresy ilay Maorisiana […]
Rugby– “Africa Women’s Tournament” : Iray vondrona amin’i Tunisie sy i Egypte ny Makis Ladies
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny rugby lalaovin’olona 7 indray ny Makis ladies. Hiady ny tapakila hiatrehana ny World Challenger Series izy ireo. Ekipa magrebianina roa no miray vondrona amin’ny Malagasy dia i Tunisie sy ry zareo Egyptianina. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Nairobia, Kenya, ny […]
Chan 2024 – « prize money »: Singa telo no nampihena izany
Nivoaka tamin’ny fahanginany Rabemanantsoa Benjamin, filohan’ny delegasionina Barea, nandritra ny “Chan 2024”, sady komity mpanatanteraka (CE) anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nohazavainy, omaly, tetsy Isoraka, fa singa telo no nanesoran’ny Kaonfederasiona afrikanina an’ilay vola “prize money” mitentina 1,2 tapitrisa dolara. Raha ny nambarany, nalain’ny Caf tamin’io vola io, tany […]
SOMBIM-BAOVAO
Seksionina miisa efatra indray no nahavita ny fanavaozana ny mpitantana azy ho an’ny taranja basikety. Ny seksionina Ambohidratrimo ao anatin’ny ligin’Analamanga, ny seksionina Manakara ao anatin’ny ligy Fitovinany. Miampy ny seksionina Vangaindrano ao amin’ny ligy Atsimo Atsinanana sy ny seksionina Brickaville, ao amin’ny ligy Atsinanana. Tsy mbola misy fiovana, hatreto, […]





