Araka ny zava-misy amin’ izao fotoana, mbola baraingo ny resaka hanohizana ny asa fanavaozana ny kianja Barea Mahamasina. Tsiahivina fa ity kianja ity, tokony ho nanaovan’ ny Caf fitsirihana, tamin’ ny herinandro lasa teo, saingy nahemotra izany noho ny toe-draharaham-pirenena. Tsara ny mampahafantatra fa efa tsy nahazo fankatoavana mihitsy ity […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio 16 oktobra sy rahampitso 17 oktobra ilay seminera lehibe hiarahan’ny manam-pahaizana frantsay, i Anthony Masblanc, nahitana fihemorana indroa. Ao amin’ny Dojo Esca Antanimena, amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 6 ora sy sasany no hanaovana ity seminera ity, raha ny fandaharam-potoana efa napetraka. 10 000 Ariary kosa ny saran’ny […]
Famaranana basikety : Hatao ny alahady 19 oktobra ny lalao
Hotontosaina ny alahady 19 oktobra izao avokoa ireo lalao rehetra tsy tontosa ny faran’ny herinandro teo, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Seksionina ny Basikety Antananarivo Renivohitra. Lalao manasa-dalana sy famaranana ary fiadian-toerana fahatelo, ny hotanterahina eo amin’ny sokajy latsaky ny 12 taona, lahy sy vavy. Ny famaranana sy fiadian-toerana fahatelo […]
Baolina kitra : Fantatra ireo firenena afrikanina 9 hanao “Mondial 2026”
Vita tanteraka ny fifanintsanana isam-bondrona, niadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Miisa 9 izy ireo, izay voalohany tao anaty sokajy nisy azy avy. Miandry ny toerana iray hiadiana amin’ny sakana, izay hahazo azy ny rehetra. Hiadiana amin’ireo kaontinanta hafa izany. Tapitra ny talata lasa teo, ireo fifanintsanana isam-bondrona […]
Barea U17- Cosafa: Mandiso ireo vaovao miely ny Coach Yvon
Manoloana ny vaovao navoakan’ny Sport News Africa, omaly, izay milaza fa mandalo fanadihadiana eny amin’ny fitsarana ny mpanazatra Barea U17, Randrianarisoa Yvon, noho ny fakana vola tamin’ireo ray aman-dreny mba hanatsofohana azy anaty ekipam-pirenena. Nanamafy ity teknisianina malagasy ity, omaly, fa tsy marina velively ny voalazan’io mpanao gazety any ivelany […]





