Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, ny filaharan’ireo firenena rehetra, amin’ny taranja baolina kitra. Nilatsaka laharana iray, faha-105 i Madagasikara, raha toa ka faha-104 ny Malagasy teo aloha. Ny fifanintsanana eoropeanina “Euro 2024” sy ny amerikanina “Copa 2024”, no nanova ity filaharana ity. I Mozambika no mandimby ny toeran’ny Malagasy. […]
Fanatajahantena
Basikety 3×3 – « Challengers Pristina »: hifandona amin’i Riffa sy i Kandava ny Ankoay
Rahampitso! Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany. Lalao roa avy hatrany no ataon’ny Ankoay. Niainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato hihazo an’i Kosovo, ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay. Hiady ny tapakila handehanana any Chine mandritra ny fifaninanana basikety […]
Baolina kitra – Fifaninanam-pirenena: niova anarana ho “World Cola League des champions”
Niova ho “World Cola League des champions” indray ny anaran’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra manomboka izao. Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ny orinasa Star ny Federasiona malagasy (FMF). Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ny sokajy «D2 National». Io no votoatin’ny fihaonan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Niteraka fimenomenonana teo amin’ireo ekipa vahiny ny tsy fahatongavan’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball nanatrika ny fiadiana ny CCCOI, natao tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 9 ka hatramin’ny 16 jolay lasa teo. Rehefa nanontaniana ny tomponandraikitra, ny tsy fahasalamany no antony tsy nanatrehany izany. Hitohy amin’ny alahady ho avy izao, etsy […]
Barea de Madagascar: mpilalao 9 tsy manana klioba
Efa saika tapitra avokoa ny fifanarahan’ireo mpilalaon’ny Barea amin’ny klioba nisy azy any Eoropa any, amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroany, tsy nanaiky ny hanavaozana ny hitohizany tao amin’ireo ekipany teo aloha ny tomponandraikitra. Fantatra àry fa miisa 9 ireo tsy mbola manana klioba hilalaovana ankehitriny. Anisan’ireny i Sonny Laiton, mpiandry […]