Fanatajahantena

Fifanintsanana Mondial 2026: Mety hihena ny isa efa azon’ny Barean’i Madagasikara

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny hoe hanaisorana izay isa azony tamin’ny fandreseny ny ekipa farany ao amin’ny vondrona misy azy ireo firenena isam-bondrona. Voaka­sika anatin’izany ny Barea, andrasana ny fanambaran’ny Caf. Rehefa nivoaka ny vaovao, ny faran’ny herinandro teo, niala tsy nifanintsana tao amin’ny fiadian-toerana hiakarana any amin’ny amboara […]

Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025»: Tafita amin’ny fihodinana fahefatra ny Malagasy

Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Douaisis, Fran­ce, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Ny fiatrehana ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’olon-telo miaraka no natrehin’ireo mpifaninana rehetra. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Malagasy izay tafita amin’ny fihodinana fahefatra. Raha tsiahivina ny lalao vitany, resin’i Belgique teo […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa manomboka fantatra ireo mpikatroka handray anjara amin’ny “Muay Thai Tournament 3″ hatao ao amin’ny Arena Toamasina, ny 23 novambra izao. Anisan’ny hifaninana, mandritra izany, eo amin’ny sokajy vehivavy, i Lova, latsaky ny 54 kg, i Eulalie latsaky ny 58 kg ary i Miora, latsaky ny 60 kg. Hisy ny”prize […]

Fiofanana Fiba Afrika: Malagasy mpitsara telo afa-panadinana

Namoaka ny anaran’ireo mpitsara afrikanina nahomby tamin’ny fiofanana ny eo anivon’ny Fiba Afrika. Malagasy mpitsara telo, ahitana an-dRabemananjara Mbolamena, Son of Man Sunshine Cynthia Anastasie ary Rakotonirina Lantomananarivony Aina Redjany, no afaka tamin’ny fanadinana ka nahazo ny mari-pahaizana Niveau 1. Tsiahivina fa mpitsara efatra no niatrika ny fiofanana ho an’i […]

« Grand Trail de la Réunion » ; Hifaninana amin’ireo atleta 300 i Sidonie

Hanana solontena amin’ny « Grand Trail de la Réunion » i Madagasikara. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany Randrianarivelo Sidonie, atletan’ny AS Fanalamanga. Nanome fankaherezana sy tohana ho azy ny orinasa hoentin’ny miatrika izany fifaninanana goavana izany. Hanainga anio, hiatrika ny « Grand Trail de la Réunion » hatao ny 16 oktobra ho avy izao Ran­drianarivelo […]