Tapitra, afakomaly, ny lalao manasa-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Europa, “Ligue des champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Sarotsarotra ny hiakaran’ny Paris Saint Germain (PSG), amin’ny dingana manaraka. Lavon’ny Dortmund Allemagne, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, ny alarobia lasa teo, tany Iduna Park Allemagne. Mbola tsy […]
Fanatajahantena
Rakotobe Kristina : hilalao amin’ny klioba D1 any Amerika
Rakotobe Kristina, vehivavy mpilalao basikety, no mety ho Malagasy voalohany hilalao amin’ny divizionina ambony, D1, any Amerika. Araka ny vaovao navoakany tao amin’ny pejiny, omaly, nahazo tolotra hifindra ao amin’ny UNC Greensboro Spartans ny tenany, amin’izao fotoana. Araka ny fikarohana natao, handray 19 taona amin’ity volana ity i Kristina, mirefy […]
Beach Soccer – “Festival Mazavaloha” : hahazo volabe izay mivoaka mpandresy
Afaka andro vitsy, hiatrika lalao Beach Soccer indray ny mpankafy baolina kitra malagasy. Natao hamerenana ny lazan’ity taranja ity eto an-toerana izany fifaninanana izany. Hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny Barea. Hotanterahina any Antalaha sy Sambava, ny 13 hatramin’ny 19 mey ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra amin’ny torapasika, […]
Inter-Media 2024 : fantatra ireo ekipa iray vondrona
Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) etsy Ambohidahy, ny antsapaka ahalalana izay iray vondrona amin’ny fifaninanana iraisan’ny mpampahalala vaovao na ny Inter-Media 2024. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny kianja Annexe Mahamasina, ny sabotsy 4 mai ho avy izao. Anisan’ireo manana ekipa be indrindra ny vondrona Ultima-Media, misy ny […]
Rugby – «Can vehivavy 2024» : nahazo fankatoavana ny kianja Makis Andohatapenaka
Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Maki. Nankatoavin’ny Rugby Afrique fa mahafeno ny fenitra sy ny fepetra takina ny toeram-pilalaovana eny Andohatapenaka. Tsy misy ahiahy intsony fa hotanterahina eto Madagasikara, manomboka ny sabotsy 4 mai ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 […]