Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, […]
Fanatajahantena
Echecs Analamanga : Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana
Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny mpikambana eo anivony, ny sabotsy lasa teo, teny Analakely. Nisy ihany koa ny fanovana ny sata nataon’izy ireo. Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Analakely. Fijerena sy fandaniana ny fanovana […]
ASIEF : Hatao any Manakara ny Asief 2026
Ao anatin’ny famaranana ny fifaninanana avokoa amin’izao fotoana izao, ny taranja rehetra amin’ny fifaninanana Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) tanterahina any Mahajanga. Nisy ny dinika nifanaovana ka efa fantatra sahady fa any Manakara no hanatanterahina ny Asief 2026, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean […]
Rallye vacances: 33 ireo mpanamory hiady lohany
Mahatratra 33 ireo mpanamory nisoratra anarana handray anjara amin’ny “Rallye vacances”, andiany faha-18. Fihaonana karakarain’ny klioba Gojang hatao any Mahajanga ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao. Dingana fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny hazakazaka fiarakodia izy ity. Tazana ao anaty lisitra avokoa ireo kalaza lahy amin’ny rallye. Anisan’izany, i […]
Baolina kitra afrikanina: Fanalamanga vs Ferroviaro, Elgeco Plus vs Silver Striker
Tontosa ny sabotsy lasa teo, tatsy Afrika Atsimo, ny antsapaka nahalalana ireo hifandona amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra ho an’ireo klioba tompondaka sy tompon’ny amboara. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny solontena roa ho an’i Madagasikara dia ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Raha ho an’ny fiadiana ny ho […]




