Tontosa omaly ny rallye FMMSAM, dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, fifaninanana manamory fiarakodia. Norombahin’i Mathieu sy i Andry Tahina, mpanamorin’ny klioba ASACM, nitondra ny fiara subaru, ny fandresena tamin’ity. Vitan’izy mirahalahy tao anatin’ny 1 ora 28 mn 25, 8 % ny fifaninanana. Saika nitarihan’izy mirahalahy ireo avokoa […]
Fanatajahantena
Karate – Fifanintsanana Afrika Atsinanana: Medaly volamena 5 sy volafotsy 1 azon’i Madagasikara
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy mpikatroka karate, sokajy lehilahy, ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina. Saika azon’izy ireo avokoa ny laharana voalohany teo amin’ ny Kumité raha toa ka 100% ny Kata. Notanterahina, afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao famaranana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja […]
Rugby – “XXL Top 12” : Adin’ny boaty sy kartie ny an’ny TFA sy ny Uscar
Hitohy rahampitso, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Telo ny lalao voalahatra amin’izany ka anisany hahasarika ny sain’ny mpanaraka ity fifaninanana ity ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny Uscar. Adin’ny boaty sy ny kartie ny fihaonana ka samy […]
Karate – Afrika Atsinanana: hotanterahina anio ny famaranana
Hatao anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja Karate, sokajy Cadet, Junior, Senior. Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 39 mianadahy ireo solontena malagasy miatrika ity fifanintsanana ity. Ankoatra an’i Madagasikara, mpampiantrano, hifanintsana amin’ity ihany koa i Djibouti sy i Maurice ary […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga «Ligue 1», taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Toulon Academie sy ny AS Ste Anne Bongatsara. Hisolo tena an’Analamanga eo amin’ny fifaninanam-pirenena 2025 ireto ekipa roa ireto. Misaona ny tontolon’ny baolina lavalava eto Madagasikara sy […]