Efa nanomboka ny alahady lasa teo, tany Moramanga, ny hetsika “Mada Tour”, izay tontosain’ny Disciples FC Vakinankaratra. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hitiliana mpilalao izay hanatevina ny ekipan’ny Disciples FC. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny klioba, Johny Rijaniaina. Nahita lesoka tanteraka ny klioba indrindra teo amin’ny fanomanana raha ny nambarany. […]
Fanatajahantena
Karate-Afrika : Hanainga ny 20 jolay izao ny Malagasy
Ao anatin’ny fanomanana tanteraka amin’izao fotoana izao, ny Malagasy mpikatroka hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, izay hatao any Nizeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. Ny alahady 20 jolay izao kosa no hanainga eto an-tanindrazana, ny delegasionina malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny […]
Tsipy kanetibe – «Masters 2025»: Nosoloina an’i Yves Cédrick i Tinakely
Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fiadiana ny “Masters 2025”, anio talata. Vonona avokoa ireo ekipa miisa 7 hiady lohany amin’izany. Anisan’ireo hiatrika izany ny ekipa malagasy. Nanolo mpilalao anefa ny mpanazatra ka nosoloina an’i Yves Cédrick i Tianakely. Hotanterahina anio ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, eo amin’ny […]
Basikety – Analamanga: Hatao ny 27 jolay ho avy izao ny lalao famaranana
Efa miditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, izay hatao etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra teny an-toerana, hotontosaina ny 27 jolay ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny lalao famaranana ho an’ny sokajy rehetra, amin’ity fifanintsanana ity. Zava-dehibe tokoa […]
Kitra – Ligin’Analamanga : Tafakatra amin’ny D2 Nasionaly ny COSPN
Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao […]




