Fanatajahantena

« Muay Thai Tournament 2 » : Hitiliana izay hiatrika ny « Trophée de Choc 2026 »

Hotontosaina ny alahady 21 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny andiany faharoa amin’ny « Muay Thai Tournament ». Fifaninanana hitiliana izay hiatrika ny ady iraisam-pirenena, toa ny « Trophée de Choc 2026 ». Ny klioban’ny GISL (Grande île sports loisirs ) no mikarakara izao fifaninanana izao, ahafahana mitily […]

Baolina kitra – Cosafa U17 : Nidiram-baolina 13 ny Barea zandriny

Nangidy sy navesatra tamin’ny mpitia baolina kitra ny vokatra azon’ny Barea, nandritra ny fifaninanana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup), sokajy U17. Faharesena telo no azo ary nitana ny rambony tao amin’ny vondrona “B” izy ireo. “Resy lava!” Nosem­banin’ny raho-maintin’ny Barea sokajy U17, ilay fifaliana mavaivay […]

SOMBIM-BAOVAO

Ekipa lehilahy 10 sy vehivavy 9 no hifaninana mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, eo amin’ny sokajy « 1ère division ». Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny 20 hatramin’ny 27 septambra izao. Ny 19 septambra izao kosa no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka. Hifarana anio […]

Karate Analamanga : Hiezaka hampiakatra ny lentan’ny mpikatroka

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­ron­drano, ny fiadiana ny tom­pon­dakan’Analamanga, taranja Karate. Nahatonga solontena avokoa ny seksiona 8 mandrafitra ny ligy ary nahatratra 150 ny isan’ny mpandray anjara. Niakatra ny haavo teknika ho an’ity fifaninanana 2025 ity ary hiezaka hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ny […]

Tenisy “WTA 250”: Norombahin’i Tiantsoa ny amboara

Tontosa ny alahady lasa teo, tany Sao Paulo, Brésil, ny fiadiana ny “WTA 250”, taranja tenisy, sokajy vehivavy. Norom­bahin’ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, Rako­tomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah ny amboara tamin’izany. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/4), ilay indonezianina, i Janice Tjen. Vao […]