Fanatajahantena

Rally TMF : Mpanamory 31 hiady lohany

Hanomboka anio, ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny familiana fiarakodia na ny Rally TMF. Fifaninanana karakarain’ny klioba Team Mika Faniry. Mpanamory 31 hiady lohany. Anisan’ny hifampitady amin’izany, ry Mathieu Andrianjafy avy amin’ny Asacm, izay hiova fiara hoentina ka amin’ity hitondra Subaru indray ny tovolahy. Ankoatra azy, eo koa […]

Coupe Internationale de Tanà : Maherin’ny 400 ny mpikatroka handray anjara

Hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Coupe Internationale de Tanà”, taranja karate. Efa tonga daholo ny vahiny nasaina ary maherin’ny 400 ny mpikatroka hifaninana. Fifaninanana iraisam-pirenena sambany ho an’ny tantaran’ny karate malagasy ity “Coupe Interna­tionale de Tanà”, hanomboka anio 11 jolay ary haharitra ha­tramin’ny 13 jolay ity. […]

« Mondial La Marseillaise à Pétanque »  : Tompondaka ny ekipa voafantin’ny Malagasy

Nahazo ny laharana voalohany ! Voahosotra ho tompondaka, ny fifaninanana tsipy kanetibe, “Mondial La Mar­seil­laise à Pétanque”, izay natao tany France, ny ekipa malagasy misy an-dry Rako­toarisoa Yves Sédrick sy Raza­nadr­a­koto Tiana Laurens ary Rako­toarisoa Lova. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 13 no ho 10 ny ekipa voafantina frantsay, misy an-dry […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja Volley ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona lahy sy vavy. Ao amin’ny Arena Sport Toamasina no hanaovana ny fifaninanana. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny “Jamboree National Minibasket” hatao […]