Mitazona ny laharana voalohany ao amin’ny “Vondrona I” ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipam-pirenena kaomorianina, omaly, tany Johannesburg. Mitohy ny fahombiazana! Nahazo isa telo fanampiny indray ny ekipam-pirenena Barea, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nandresy an’i Comores tamin’ny isa 2 […]
Fanatajahantena
Karate – Afrika Atsinanana: nankasitraka ny fandraisan’ny Malagasy i Djibouti
Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara amin’ny fandraisana ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja karate. Nankasitraka ny lamina i Djiboutie. Nanolotra teny fisaorana sy fankasitrahana ny Federasiona malagasin’ny taranja karate (FKM), ny lehiben’ny karaten’i Djibouti (FKDji), Abdoulkader Bourhan Kanano, omaly, teny Antaninarenina. « Ankoatra ny ady medaly, zava-dehibe aminay ny mandray anjara amin’ny fifaninanana […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio, any Toamasina, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, N1A faritra Atsinanana, sokajy lahy sy vavy. Hisy lalao efatra handeha any an-toerana. Anisan’izany ny fihaonana tena andrasan’ny maro eo amin’ny lehilahy, ny fifanandrinan’ny Ascut Atsinanana sy ny Cosfa Analamanga. Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena […]
“Mondial 2026”: hiady ny isa telo i Madagasikara sy i Comores
Hifanandrina amin’i Comores i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Fanamby goavana ny miandry ny Barea. Lalaon’ny samy nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina! Anio, ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg, hifanandrina i Madagasikara sy i Comores. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny […]
“Telma E-sport series” : nanao pao-droa i JZ Rayan
Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, ny fanolorana ny fankasitrahana ho an’izay telo voalohany nandresy tamin’ny fifaninanana “Telma E-sport series 2024”. Nanaovan-dRalainaivo Mamitiana Herilanto na JZ Rayan pao-droa ity fifanintsanana ity. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ ny sokajin-dalao roa izy : ny “E-football” sy ny “EAFC”. Notoloran’ny mpikarakara lelavola […]