Miakatra hatrany! Namoaka ny filaharan’ireo firenena, amin’ny taranja baolina kitra, ny Federasionina iraisam-pirenena Fifa, omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo. Araka ny fikarohana natao, niverina eo amin’ny laharana faha-108 ny Barea, raha mbola eo alohany hatrany i Comores, mitana ny faha-105. Tsiahivina fa efa tany amin’ ny volana septambra 2024 no […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 17 sy 28 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, ho an’ny taom-pikatrohana 2025. Ny sokajy Cadet, Junior, Senior no hifaninana amin’ny Low kick, Kick Fight ary ny K1 Rules. Hitiliana izay ho solontena malagasy hiatrika ny fiadiana ny […]
Volley-Mada 1D : Ekipa roa atahorana ny ASI sy GNVB
Hotanterahina ny 20 hatramin’ny 27 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy 1ère division, lahy sy vavy. Efa fantatra avokoa ireo ekipa handray anjara, izay ahitana ekipa 10 eo amin’ny lehilahy ary ekipa 9 kosa eo amin’ny vehivavy. […]
Handball – “Can U17”: Lavon’i Kenya ny Akion’i Madagasikara
Faharesena misesy ny azon’ny Akion’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny “Can U17”, vehivavy. Mbola resin’i Kenya indray izy ireo. Nitohy omaly alakamisy, tao amin’ny Kianja Complexe Miloud Hadfi, Algerie, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), taranja handball, sokajy U17, vehivavy. Tojo faharesena fanindroany indray ny Akion’i Madagasikara. […]
Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025» : Firenena 40 mahery hiady izay ho lohany
Hanomboka anio, any Rome, Italie, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fihaonana natokana ho an’ olon-tokana lahy sy vavy, olon-droa lehilahy sy vehivavy, ary lalao ho an’olon-droa vehivavy sy lehilahy miaraka. Firenena mahatratra hatrany amin’ny 40 no hiady ho lohany amin’izany ka anisan’ireo manana solontena amin’ity […]





