Fanatajahantena

“Moto Cross Mada 2024” : hatao ny alahady izao ny dingana fahatelo

Hotontosaina ny alahady ho avy izao eny Ambohidava Antananarivo, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja “Motocross 2024”, sokajy “élite 1”. Hampiavaka ity fifanintsanana ity ny fisian’ ireo vahiny avy any La Réu­nion hifanintsana amin’ireo Malagasy mpilalao. Tsiahivina fa nanjakan’i Mathias Plantive, Malagasy mpilalao moto, tanteraka ny dingana […]

Kitra Fimmar: hifampitana ireo fokontany 16

Hifarana anio, etsy amin’ny kianja Academica Andohata­penaka, ny fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona enina. Mikarakara izany ny Fikambanana mpiara-mitolona miaraka amin’i Andry Rajoelina (Fimmar), etsy amin’ny boriborintany I, tarihin’i Toussaint na Bolô. Mandray anjara amin’izao lalao izao ireo fokontany miisa 16 amin’ireo 44. “Tanjona ny fitai­zana ny tanora ho any anatin’ny […]

Volley-ball-CCZone 7: hifandona ny Cosfa sy ny GNVB anio

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball (CCZone 7). Samy Malagasy no hifanandrina amin’ny lalao manasa-dalana faharoa, anio, etsy Mahamasina. Niaraka tafakatra mantsy ny Cosfa sy ny GNVB, sokajy lehilahy, ka izy ireo no hiady ny […]

Volley-CCZone 7: tafakatra manasa-dalana ny GNVB, vehivavy

Samy ho tazana amin’ny lalao manasa-dalana avokoa ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba, faritra faha-7 (CCZone 7), taranja Volley ball. Taorian’ny nahazoan’ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena lehilahy, ny tapakilan’ny manasa-dalana ny talata lasa teo, nahazo izany ihany koa ny GNVB, vehivavy, omaly alarobia 28 febroary, teny […]