Tontosaina eny amin’ny Kianja «annexe» Mahamasina, nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 aogositra ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra «cours Ma – arbitres élites». Mitarika izany i Efong Nzolo (instructeur technique) sy i Ayemou Ananh Jeanne (instructeur physique) ary i Athanase Nkibuto. Nigadona teto an-tanindrazana, omaly, […]
Fanatajahantena
Tsipy kanetibe: Resin’i Yves i Dylan Rocher
Notanterahina omaly, tany Nevers France, ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Nisongadina indray ny ekipa malagasy tamin’izany. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa mazava 13 no ho 3 ny ekipan’ilay kalazalahy frantsay, i Dylan Rocher. Nandrafitra ny ekipa malagasy i Yves sy i Tianakely ary i Balôty. […]
Volley Ball-“CAN U16” Y: Nanainga omaly ny delegasionina malagasy
Feno ny fepetra, nanainga omaly alina, nihazo an’i Tonizia, ny delegasionina malagasy hiatrika ny Can (Championnat d’Afrique des nations), ho an’ny sokajy vehivavy latsaky ny 16 taona, taranja volley-ball. Hotontosaina ny 22 hatramin’ny 31 aogositra izao, any Tonizia, ny Can (Championnat d’Afrique des nations), sokajy U16, taranja volley-ball. Noraisin’ny fitondram-panjakana […]
Tsipy kanetibe – “Mondial 2025” : Hanoman-tena any Frantsa ny vehivavy
Tsy manao ambanin-javatra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Mialoha izany fihaonana an-tampony izany, izay hatao ao Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, andeha hanoman-tena mialoha any an-toerana ny ekipa malagasy. Nanainga ny talata lasa […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina any Algerie, ny 14 hatramin’ny 21 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy vehivavy. Hiara-dalana amin’izany koa ny dingana kaontinantaly eo amin’ny “IHF Trophy”. Tsiahivina fa mandray anjara amin’izany ny Akion’i Madagasikara. Ekipa lehilahy 16 sy vehivavy 10 no hifaninana amin’ny fiadiana ny […]





