Nody an-tanam-polo ny Barea de Madagascar, izay notarihan-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, tamin’ity fifanintsanana “Cosafa 2025” ity. Lavon’i Comores, 1 no ho 0, i Madagasikara. Resy indray! Nionona teo amin’ny laharana fahefatra, nandritra ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo, “Cosafa 2025”, izay natao tany Afrika […]
Fanatajahantena
Tsipy kanetibe: « Traikefa, fitiavana, fikirizana, fitsipika no hahombiazana », hoy ireo efa tompondaka maneran-tany
Taranja manavanana ny Malagasy ny tsipy kanetibe. Efa fanta-daza maneran-tany i Madagasikara, noho ny zava-bitan’ireo mpilalao. «Ilaina fitiavana sy fikirizana izany», hoy ny ampahany amin’ireo efa tompondaka maneran-tany nanaovana fanadihadiana. - Randrianandrasana Jean Jacky, anisan’ireo Malagasy mpilalao tsipy kanetibe nandrombaka voalohany ny anarana maha tompondaka maneran-tany ho an’olon-telo, niaraka tamin’ Andriantseheno […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fanambarana nataon’i Rinjala Elihary, omaly, tao anaty tambajotran-tseraserany, nifindra klioba tao amin’ny FC Bulle, diviziona fahatelo any Suisse, izy. Tsiahivina fa tao amin’ny CS Chênois, izy teo aloha, ary manana ny lazany any Suisse amin’izao fotoana izao. Mpilalao tahaka itony, mendrika ho antsoina andrafitra ny ekipam-pirenena Barea. Hotontosaina […]
« CAN 2025 »: Hanala vela amin’ny Springboks ny Makis Ladies
Hifarana rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy (Can 2025) ao anatin’ny sokajy “performance”. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra amin’ ity andro fahatelo ity ny fihaonan’ny Makis Ladies de Madagascar sy ny Springboks Afrika Atsimo. Hanala vela amin-dry zareo Afrikanina tatsimo ny […]
“Women’s Serie” : Ratsy fanombohana ny Ankoay
Niaka-tsehatra voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, sokajy vehivavy, niatrika ny fifaninanana “Women’s Serie”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Viennes. Ratsy fanombohana ny Malagasy raha ny voka-dalao, omaly. Resin’ny CS Rapid Bucharest tamin’ny isa 21 no ho 8 ny Ankoay, nahitana an’i Muriel, Sydonnie, Christiane ary i Chine. Tsiahivina, […]




