Fanatajahantena

Rugby – “Top 8 Mada” : Hifandona ny TFA sy ny TFMA

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohata­pe­naka, ny alahady 24 aogositra ho avy izao, ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”. Hiatrika izany ireo ekipa 8 voalohany tamin’ny “Top 12” farany teo, Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ ny TFA Anatihazo (Pilokely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). […]

Fonjamby-Tompondakan’i Afrika: Nandrombaka medaly 17 ny Malagasy

Fahombiazana indray ny an’ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 no azon’i Madagasikara. Taranja mampamiratra ny Malagasy hatramin’izay ny fibatana fonjamby. Mbola noporofoin’ny Mala­gasy atltela izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao […]

“Fête du Basket NBA” : Efa tonga eto i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles

Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, ireo kalaza NBA tonga hizara traikefa eto Madagasikara, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles, niaraka tamin’ny masoivoho amerikanina. Nandritra izany no na­nambarana ny anton-dia sy fandaharam-potoan’izy ireo eto Madaga­sikara, mandritra ny fandalovany. Araka izany, hatao ny sabotsy 23 aogositra […]

SOMBIM-BAOVAO

Nosokafana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Maka (Malagasy Karate-do). Nanombohana izany, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alatsinainy 18 aogositra sy omaly 19 aogositra, ny fampiofanana. Hitohy amin’ny fampirantiana izany nanomboka omaly hatramin’ny 21 aogositra izao. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, any Toliara, ny fiadiana ny […]

“ASIEF 2025” : “Tratra ny tanjona”, hoy ny filoha John Love

Toy ny mahazatra, nanao tatitra mahakasika ny fifaninanana nasionaly Asief (Asso­ciation sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires) 2025 ny filohany, Andrianarison Jean Aimé (John Love), omaly, teny amin’ny birao fiasany, eny Tsaralalàna. Nambarany nandritra izany fa tontosa araka ny tokony ho izy ny fifaninanana ary tratra ny tanjona, dia ny […]