Raikitra ny andiany faha-10, amin’ny fifaninanana Smatchin, izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 9 hatramin’ny 17 Marsa izao. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara, amin’ ity andiany ity. Tsiahivina fa 15 no ekipa nifaninana tamin’ny fiandohan’ny fifaninanana, ny taona 2012 ary niakatra tsikelikely […]
Fanatajahantena
« Pureplay Football League »: voalohany ny Fosa Junior
Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Misongadina tanteraka ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, izay laharana voalohany ao amin’ny kaoferansy avaratra, manana isa sivy (9). Farany kosa ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy atsy amin’ny kaoferansy atsimo, isa iray (1). Ny ekipan’ny […]
Beach soccer : hatao any Manakara ny “Mada 2024”
Hotanterahina any Manakara, ny volana jolaly ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja beach soccer, ho an’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Io ny fandaharam-potoana navoakan’ny vaomiera misahana ity taranja ity eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alatsinainy lasa teo. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny daty mazava […]
Tenisy – sokajy U14 : horaisin’i Madagasikara ny «Tournoi circuit Africain 2024»
Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena indray ny federasiona malagasin’ny tennis (FMT). Hotontosaina eto Madagasikara ny fihaonana ho an’ny sokajy zandriny U14, lahy sy vavy «Tournoi circuit Africain 2024». Hatao eny amin’ny club du Car Ivato, ny “Tournoi circuit Africain 2024”, taranja tenisy, ho an’ny latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Misokatra […]
Lalaon’i Afrika – «Ping Pong» : nahena ny mpilalao ho any Ghana
Afaka folo andro, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”, hatao any Ghana i Madagasikara. Ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra, “Ping Pong”, nahenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) ho efatra ny isan’ny Malagasy mpilalao hiaro ny voninahimpirenena amin’izany. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Ping- Pong (FMTT), […]