Araka ny vaovao navoakan’ny klioba SK Rapid Vienne Football Club tao amin’ny pejiny, ny alatsinainy lasa teo, maratra eo amin’ny feny ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Jean Harison Marcellin. Nandritra ny andro fahatelo hiadiana ny “Ligue Europa Conference”, nifandonan’ny ekipany tamin’ny Rheindorf Altach, natao ny alahady lasa teo, tao amin’ny […]
Fanatajahantena
“CHAN 2025” – Prize money : “Hatolotra ny ekipa ny 60 % ny vola azo”, hoy i Tôta
Miandry fatratra ny lalao ampahefa-dalana hikatrohan’ny Barea sy i Kenya, eo amin’ny fiadiana ny «Chan 2025», taranja baolina kitra, ny rehetra ankehitriny. Mandra-piandry izany, efa manana 450 000 dôlara ny Barea amin’ny “prize money”. “Hatolotra ny mpilalao sy ny ekipa teknika ny 60 % ny vola azo rehetra”, hoy i […]
Rugby lalaovin’olona 7 – “Mada 2025”: Lasan’ny CEA sy ny SCB Besarety ny amboara
Tontosa tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy sy alahady lasa teo, ny fifaninanana rugby lalaovin’olona 7, lahy sy vavy (Mada 7’s 2025). Fihaonana nokarakarain’ny Malagasy Rugby. Voahosotra ho tompondaka ny SCB Besarety, teo amin’ny sokajy vehivavy, raha ny CEA Andranomanalina kosa ny teo amin’ny lehilahy. Nisongadina ireo ekipa roa […]
SOMBIM-BAOVAO
Niala, omaly, tao Tanzanie ny Barean’i Madagasikara ary nihazo an’i Kenya, toerana hanatontosana ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny mpilalao tsy matihanina taranja baolina kitra (Chan 2025). Tsiahivina fa hidona amin’i Kenya izy ireo, ny zoma ho avy izao, eo amin’izany dingana izany. Norombahin’ny ekipazy TMF/Asacm, […]
Tenisy – “Mada 2025” : Tompondaka i Valentin sy i Tsantaniony
Nanakatonana ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tenisy ny lalao ho an’ny sokajy rehetra. Fihaonana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMT) ary nofaranana teny amin’ny Kianja Asut Ambohitsaina, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny 1ère série, vehivavy, i Tsantaniony Iariniaina, rehefa nandresy an-dRazafinarivo Mirindra, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2; […]





