Fanatajahantena

Sesam andiany faha-4 : hatao ny 10 hatramin’ny 12 mey izao

Raikitra ny andiany faha-4 amin’ny hetsika Sesam (Sports extrêmes et salon des Arts Martiaux), izay hotontosaina ny 10 hatramin’ny 12 mey izao, ao amin’ny La­pan’ ny fanatanjahantena Maha­ma­sina. Tsy miova ny tanjona, ny hampiroborobo ny taranja “sports extrêmes” sy ny “Arts martiaux” eto Madagasikara ary indrindra ny fanabeazana ireo tanora […]

Ping Pong – «Mondial 2024»: lavon’i Madagasikara i Nigeria

Nahazo fandresena voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra i Madagasikara, omaly. Resintsika ireo ekipa voafantin’i Nigeria. Notanterahina omaly, tany Busan Korea Atsimo, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2024 », taranja “ping pong”, lalao iraisana. Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy mpilalao. Resin-dry zareo tamin’ny isa […]

Ping pong – « Mondial 2024 » : lavon’ny République tchèque i Madagasikara

Notanterahina omaly, tany Busan Korea Atsimo, ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2024 », taranja “ping pong”, lalao iraisana. Ratsy fanombohana ny Mala­gasy mpilalao tamin’ity fifaninanana ity. Resin-dry zareo République Tchèque tamin’ny isa 3 no ho 1 izy ireo. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, lavon’i Jancarik Lubomir tamin’ny seta 3 no ho 2 […]

Kitra – PFL : hidona ny Cosfa sy ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso alahady ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’ny fihaonana hisongadina ny ao amin’ny kaonferansy Avaratra, hifanandrinan’ny Cosfa sy ny Ajesaia. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Tsy vao izao fa efa imbetsaka nifanandrina. Nifan­dimbiasana ny […]

Lalao Afrikanina : vonona ny atleta, hanohana ny fanjakana!

Ofisialy! Handray anjara amin’ny lalao Afrikanina, hotanterahina any Accra, Ghana, ny 6-28 marsa, i Madagasikara. Vonona ny atleta, nanome toky ihany koa ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena fa hanohana ny atleta malagasy. Efa fantatra avokoa ireo taranja handraisan’i Madagasikara anjara, amin’ity lalao Afrikanina 2024 ity, izay miisa 11. Ao anatin’izany ny […]