Hotanterahina ny 31 mey sy 1 jona izao, eny amin’ny Tour Orange Ankorondrano, ny fifaninanana “Tournoi Elo Fide”, sokajy -1 600 sy -1 800, taranja lalaon-tsaina Echecs. Ny 26 mey izao ny farany amin’ny fandraisana ny anarana ho an’izay maniry hifaninana amin’izany. Amin’ny 8 ora sy sasany maraina kosa no […]
Fanatajahantena
Kung fu – 45 Taona : Hifanakalo ara-teknika any Maorisy ny Malagasy
Feno 45 taona amin’ity taona ity ny nitsanganan’ny Kung fu Malagasy. Efa nanomboka ny janoary 2025 no nanokafana izany fankalazana izany ary tamin’ny alalan’ny fitetezam-paritra teknika no nisantarana azy. Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu, Grand Maître Avoko, fa ho feno sy hiavaka tanteraka ny fankalazana. Nanamafy izany […]
“World Cola PFL”: Mitohy ny fampivondronana ny Barea
Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona, eny amin’ny Kianja Elgeco plus, By Pass, ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL”. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tsy maintsy tanterahina amin’io ny fifanandrinana miverina, mba hahafahana mahatratra ilay daty 29 jona, hanaovana ny famaranana. Tsiahivina […]
“IHF Trophy Zone VII” : Anisan’ireo hifaninana i Tchad
Afaka 4 andro, hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny vehivavy, i Madagasikara na ny “IHF Trophy 2025”. Tafiditra ao anatin’ireo firenena mifaninana i Tchad. Firenena 5 izany no hiady ho lohany. Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, manomboka ny talata 27 hatramin’ny sabotsy […]
Kitra – Mandrosoa Andramasina: Mitarika ny Black amin’ny “Tournoi 26 juin”
Efa hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana tsy ho ela ny fiadiana ny amboara “Tournoi 26 juin” ao amin’ny kaominina Mandrosoa Mandrosohasina, tanterahana eny amin’ny Kianja Ambatobe Staduim. Mitarika vonjimaika amin’ny fananana isa aloha hatreto ny ekipan’ny Black avy ao Mandrosoa, ho an’ny eo anivon’ny vondrona A. Nahazo fandresena indroa miantoana izy ireo. […]




