Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka ny ekipan’ny AC Sabnam, ny alatsinainy teo, teny Sa­botsy Namehana. Voahosotra ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izy ireo, ka nanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ity tanàna ity hetsika manokana. Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan. Araka ny fantatra, mbola hiverina any […]

CJSOI-andiany faha-13 : Efa anatin’ny fanomanana ireo atleta

Hotanterahina any Seychelles, ny 28 jolay hatramin’ny 10 aogositra izao, ny lalaon’ny Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien (CJSOI), andiany faha-13. Efa anatin’ny fiomanana avokoa ireo Malagasy atleta isan-taranja hiatrika izany fifaninanana izany. Ho an’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny 21 avrily ny fampivondronana ireo mpilalao. […]

Baolina kitra – “Cosafa cup 2025” : Tafaraka vondrona i Madagasikara sy i Maroc ary i Eswantini

Iray tarika ny Barea de Madagascar sy ny Lions de l’Atlas an’i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Azo lazaina fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta, amin’ity. Tontosa omaly, tao Man­gaung, Afrika Atsimo, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny alatsinainy 19 mey teo ny delegasiona malagasy avy amin’ny MJKA (Madagascar Japan Karaté Association), hiatrika ny “Africa Cup”, any Japon. 4 mianadahy no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ity fifaninanana ity, ahitana an’i Mathieu, Mael, Nekena ary i Lanto. Ny ekipan’ny Guerreros Team no nandrombaka ny anaram-boninahitra klioba […]

Karting-“Mada 2025” : Hatao ny alahady izao ny «1er Grand Prix»

Hotanterahina ny alahady 25 mey ho avy izao, eny amin’ny circuit SRK Imerin­tsiatosika, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja Karting izay sady “1er Grand Prix” ihany koa. Fihaonana karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpanamory rehetra manana ny kara-pilalaovana, ankatoavin’ny Fédération sport-automobile malagasy (FSAM). Misy sokajy […]