Nanjakan’i Mathias Plantive ny fifaninanana nasionaly dingana voalohany “1ère manche”, taranja Moto cross, sokajy “Elite 1” izay notanterahina teny Ambohidava, ny alahady 28 janoary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany rehefa nahavita “tours” 12 tao anatin’ny 20 minitra, ka nahazoany isa 50. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida, […]
Fanatajahantena
Tournoi Rugby à 7 : hifantenana izay handrafitra ny Makis
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 febroary ho avy izao, ny « Tournoi » ho an’ny rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy, sokajy sénior. Ho fanomanana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika izany ka hifantenana ireo izay handrafitra ny Makis de Madagascar, lahy sy vavy. Nambaran’ […]
“Can 2024”: tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire i Senegal
Noravan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny nofinofin’ny Lionan’i Teranga Senegal, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny dian-dry zalahy. Lavo ny andrarezina. Nifarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny kianja Charles Konan Banny de Yamoussoukro, ny lalan’ny Lionan’i […]
“Can 2024”: Maroc sisa ny ekipa magrebianina mifaninana
Ho fantatra anio ireo ekipa roa farany hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Ny Lion d’Atlas, Maraoka sisa no hany ekipa magrebianina mbola mifaninana. Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, ao amin’ny kianja San Pedro izy […]
Jiu-Jitsu : mpikatroka 100 manampy traikefa
Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fizarana traikefa eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu, ataon’i Vicente Cavalcanti, ilay Breziliana manam-pahaizana. Malagasy mpikatroka manodidina ny 100 misitraka izany. Fiofanana sy fifampizarana no atao eny an-toerana, hatramin’ny anio. Nigadona teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, ity Breziliana mpampiofana ity. Tsiahivina fa tepana mainty […]