Ny volana jona izao no hamoaka ny anaran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ho any Nizeria ny teknisianina, raha ny nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Emile, omaly, nandritra ny fanokafana ny fampivondronana fahatelo ireo atleta 33 mianadahy, teny Ampefiloha. Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny 9 janoary 2025 ny fanomanana sy […]
Fanatajahantena
Kitra sokajy vehivavy – Mada 2024 : Hafana ny fifanandrinana eo amin’ny Askam sy ny AC Sabnam
Hitohy indray ny fifaninanana nasionaly ho an’ny baolina kitra, sokajy vehivavy. Lalao telo no handeha anio, any Fianarantsoa. Tsiahivina, mbola ao anaty taom-pilalaovana 2024 ity fifanintsanana ity. Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 18 mey ho avy izao, any Fianarantsoa, ny dingana famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy […]
«Ligue des champions d’Europe»: Nosakanan’ny Inter de Milan ny lalan’ny FC Barcelone
Lavo ny FC Barcelone, andrarezina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa (Ligue des champions), taranja baolina kitra. Nosakanan’ny Inter de Milan teo amin’ny manasa-dalana ny lalan-dry zalahy. Resin’ny Italianina, tamin’ny isa 4 no ho 3, nandritra ny lalao miverina notanterahina tao San Siro Milan, ny talata lasa teo. Niady hatramin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tsy anisan’ireo ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, U17, ny Yfomac. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo afakomaly. Maro amin’ireo mpilalaony no tsy maintsy mifantoka tsara amin’ny fianarana, ka voatery nandray fanapahan-kevitra toy izao ny tomponandraikitry ny klioba. Notanterahina omaly, teny amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), […]
Basikety N1A-Vondrona A : Ekipa 6 lahy sy 6 vavy hifaninana
Anjaran’ny vondrona A indray izao no hifaninana amin’ny dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety, taorian’ny vondrona B tany Antsirabe. Ekipa 6 lahy sy 6 vavy no ao anatin’ity vondrona A ity, ka ao amin’ny Complexe sportif ao Mahajanga no hanatanterahina izany, ny 10 hatramin’ny 18 mey […]




