Fanatajahantena

Baolina kitra : nifindra ao amin’ny St Pauloise FC i Tsiry

Lasa mpilalao milaravinahitra any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion, Randria­tsiferana Tokinantenaina Oli­vier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny vaovao voaray omaly, ao amin’ny klioba Saint Pauloise FC izy no hilalao. Marihina fa hiaraka amin’i Rojo be, Malagasy hirakiraka, izany i Tsiry kely. Efa niaraka nilalao tao […]

MJS : hanangana akademia avo lenta

Mitohy hatrany ny fanatsarana eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Taorian’ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, namoaka ny laharam-pahamehany ny MJS. Voalaza nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany, afakomaly, voaporofo fa mampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanatanjahantena. Noho izany, Tsy maintsy hatsangana, ny Akademiam-pirenena […]

Lalao Echecs-Afrika faritra 4.4 : voatazon-dRakotomaharo Fy ny anaram-boninahitra

Nifarana omaly, teny amin’ny Hôtel Destiny Ambohimangakely, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, taran ja Échecs. Voatazon-dRakotomaharo Fy ny anaram-boninahitra. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana nandritra ny 7 andro. Mpi­faninana 34 avy amin’ny firenena afrikanina 7 no tonga teto Madagasikara. Teo amin’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho […]

Tetikasa Kanto Manabe : efa miditra lalindalina ny fampiofanana

Nitohy omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Ana­lakely, ny fampiofanana ireo mpanabe ny Kanto, ao anatin’ ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM). Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny haikanto, indrindra ny fa­na­o­vana sary no nampita ny fa­ha­lalany ta­min’ireo mpiofana, nandritra izany. Anisan’ izany Raharvel Katty sy Vania. Ny fototra amin’ny fanaovana sa­ry maro […]

«Afrobasket 2025» : manohy ny fampivondronana ny Ankoay

Na dia nofoanana aza ny fifaninanana, Pré-qualification «Afrobasket 2025″, nokasaina ho natao teto Madagasikara, mitohy hatrany ny fanomanan-tenan’ny Ankoay, amin’ny fiatrehana ny tohin’ny fifaninanana. Hisy ny lalao hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, anio sy rahampitso zoma, samy amin’ny 4 ora hariva. Ny ekipa “Reste du monde”, na ireo mpilalao […]