Notontosaina ny talata sy ny alarobia lasa teo, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2025». Efa tsara toerana amin’izany, ny Paris Saint Germain, frantsay, izay nandresy ny Arsenal, anglisy, tany Angleterre, ny talata lasa teo. Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, […]
Fanatajahantena
Futsal vehivavy – CAN 2025: Laharana fahenina ny Barea Ladies
Nifarana teo amin’ny laharana fahenina ny dian’ny Barea Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina anaty efitrano na ny Futsal. Fihaonana, notanterahina tany Maroc. Ny talata lasa teo, niondrika teo anatrehan’ny faraonan’i Ejipta, tamin’ny isa 4 no ho 2 ny tovovavin’ny Barea de Madagascar nandritra […]
Dihy ara-panatanjahantena : Nomen’ny ligy fahatokisana R. Rijamanitra
Tontosa ny fiandohan’ity herinandro ity, tany Antsirabe, ny fifidianana izay hitantana ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, ho an’ny efa-taona manaraka. Lany tamin’izany, Randrianarisoa Rijamanitra. Ligy 7 no nandray anjara tamin’ity fifidianana ity, nahitana ny ligin’i Diana, Boeny, Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, ary Atsimo Andrefana. Kandida 3 kosa no nilatsaka […]
Randriamanampisoa Alfred : Voatendry ho kaomitim-panatanteraky ny Cosafa
Nanapa-kevitra ny hanampy ny mpiara-miasa aminy, ny kaomity misahana ny baolina kitra aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika, Cosafa. Nantsoin’izy ireo hanatevina ny ekipany, ny filohan’ny Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Manana solontena malagasy, ny kaomitim-panatanteraka (CE) eo anivon’ny Cosafa, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray, omaly, ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tafiditra anatin’ny « Top 30 » maneran-tany, ny Malagasy mpikatroka ny taranja Judo, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Niakatra ity filaharana ity satria tany amin’ny faha-40 izy teo aloha. Noho ny vokatra tsara azony farany teo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Côte d’Ivoire no nahazoany izao […]




